politique

MTM: Maha marin-toerana ny Filoham-pirenena ny fialan’ny PM.


Anisan’ny nitaky ny fanesorana ny Praiminisitra teo aloha, Jean RAVELONARIVO ny fikambanana “Malagasy Tsy Mifanary” na MTM. Nambaran’ny Filoha Nasionalin’ny Fikambanana, William Dany RASOLOMAMPIONONA, fa maha marin-toerana ny fitondran’ny Filohan’ny Repoblika ny fialan’ny PM. “Manana zo hanala ity farany ny PRM”, hoy izy. Raha ny zava-nitranga tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny Praiministra teo aloha mihitsy no voalaza fa nametra-pialana fa tsy ny PRM no nanala azy. Efa voasolo tao anatin’ny roa andro monja rahateo ny Lehiben’ny Governemanta vaovao.
“Raha tsy niala teo amin’ny toerany ny Jeneraly Jean RAVELONARVO dia noahiahiana fa ny fitondran’i Hery RAJAONARIMAMPIANINA mihitsy no nirodana”.
Samy manana ny fanehoan-keviny avokoa na olon-tsotra na fikambanana manoloana ny raharaham-pirenena. Hitondra fampandrosoana mivaingana ho an’ity Nosintsika ity tokoa ve ny fanoloana praiministra matetika?
Lynda A.

VIDEO : RASOLOMAMPIONONA William Dany


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *