Socio-eco

FAMPIHARANA NY TATAON-KETRA AMIN’NY KATSAKA SY FAIKA: Sehatra marobe no hitotongana


Niatrika fivoriana faharoa ny MPE (Malagasy Professionnels d’Elevage) sy ireo mpikambana rehetra toy ny mpiompy, mpandraharaha, mpivarotra akora… androany 28 novambra 2019 teny Nanisana. Naneho ny heviny izy ireo momba ny fampiharana ny tataon-ketra amin’ny katsaka sy ny faika. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny filankevi-pitantanana ny MPE, Rabearivelo Andriamananarivo fa tsy nalaina ny hevitr’izy ireo tamin’ny volavolan-dalàna momba fakàna hetra  20 % amin’ny katsaka sy faika. Hovakiana eny amin’ny antenimierampirenena androany anefa izy ity. “Mangataka izahay raha azo atao tsy asiana tataon-ketra ny  katsaka sy faika (…) Hitanay mavesatra be io 20%”, hoy Rabearivelo Andriamananarivo. Nambarany fa ny katsaka no akora fototra  hanamboarana ny sakafom-biby izay mahatratra  60 ka hatramin’ny 70 % amin’ny fangaro ho an’ny fiompiana akoho, kisoa, trondro… ary hatramin’ny 99 % raha amin’ny famokarana aty matavy. Noho izany, raha mihatra io tataon-ketra io dia hiakatra 25 ka hatramin’ny 30 % amin’ny vidin’ny provandy, hihena ny mpampiasa izany, ho sahirana ny mpiompy amin’ny fivarotana ny vokatra satria mety hiakatra hatrany amin’ny 50 % ny vidiny kanefa ny fahefan’ny mividin’ny mpanjifa efa ambany. “Izany rehetra izany dia hiteraka  fitsaharan’asa amin’ny sehatry fiompiana izay hiveloman’ny olona maro ka hiteraka fahasahiranana ho an’ny firenena. Eo anivon’ny fambolena dia azo antoka fa hijanona tsy hamokatra katsaka intsony ny mpamboly ka hiova voly hafa ary hitarika fahasahiranana eo amin’ny fitadiavana akora atao sakafom-biby izany”, hoy izy ireo.

Noho izany, manana soso-kevitra ny MPE sy ireo mpikambana ary manana volavola ho atolotra any amin’ny sampandraharahan’ny hetra. Ny fakana hetra amin’ny biby fiompy no hitan’izy ireo fa mety satria hanamora ny fampanarahan-dalàna sy ny fampanaraham-penitra. Mandrisika ny fitondram-panjakana ihany koa izy ireo hijery ny fomba hampiakarana ny fampidiran-ketra  amin’ny fifandraisan-davitra, toaka, sigara… Fantatra fa hiezaka hihaona sy hitondra ny heviny eny anivon’ny vaomiera misahana ity volavolan-dalàna ity eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izy ireo.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *