Le premier jour de la conférence ministérielle de la francophone ou CMF a déjà entamé la discussion en matière de l’économie et de la politique ainsi que l’éducation. L’apprentissage de la langue française est l’un des sujets abordés. Continuer la lecture
Auteur lynda
Pr James RATSIMBA: “Sarimihetsika fotsiny ihany no nataon’ny loholona Lylison sy ny Jeneraly Florens”.
AUDIO : Pr James RATSIMBA
“Na ny fihetsika nataon’ny loholona Lylison René de Rolland na ny an’i Jeneraly Florens Rakotomahanina dia samy tetika maloto avokoa. Ny frantsay ihany no ao ambadik’ireny”, hoy Profesora James RATSIMBA. Nambarany fa sarimihetsika fotsiny ireny fifanandrinana ireny. Continuer la lecture
ANTOKO POLITIKA ARORIAKA: Tsy nahazo alalana hamory vahoaka.
AUDIO : Odon Grégoire Rakotonirina, Filohan’ny Aroriaka
“Na tsy nahazo alalana hamory vahoaka eny amin’ny kianjan’ny demokrasia aza izahay dia tsy hihemotra haneho ny hevitray manoloana ny fibodoana tany ataon’ny orinasa Filatex satria raha mitohy izany dia ho lasan’ny vahiny avokoa ny tany rehetra eto Madagasikara”, hoy Odon Grégoire Rakotonirina, Filohan’ny Aroriaka. Nanam-pikasana hitaona olona eny Ambohijatovo amin’ny sabotsy ho avy izao ny Antoko Politika Aroriaka. Continuer la lecture
Retovo LATIMER: Ny mpanao politika no mampitarazoka ny raharaha Anjozorobe.
“Efa mizotra amin’ny fampiraharahana ny fianakavian’i TSIMIONDRA, ilay manana zanaka maty voatifitra tao amin’ny toeram-pitrandrahana Marotsipohy Anjozorobe”, araka ny fanazavan’i Retovo LATIMER, Filohan’ny Fikambanana Zanaka Androy. Raha ny tokony ho izy dia efa ela no niravona ity disadisa ity fa ireo mpanao politika no misavika ny raharaha mba handrodanana ny fitondrana ankehitriny. Raha jerena mantsy ireo mpanao politika manohana ny fianakaviana dia toa avy amin’ny tetezamita avokoa. Continuer la lecture
TSIMIONDRA: « Mandainga ny Filoham-pirenena ».
Tsy mety mitsahatra ny raharaha nahafatesana tovolahy iray niasa tao amin’ny toeram-pitrandrahana any Marotsipohy Anjozorobe. Mbola mitohy izany hatramin’izao ary zary lasa fifamaliana eo amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny fianakavian’ilay maty mihitsy aza. Nilaza ny tao amin’ny CIRGN fa tsy nisy poa-basy izany tamin’ny fotoana nanambaran’ny fianakaviana fa maty ny zanany, raha natao ny fanadihadiana ny fokonolona.
Novalian’ny fianakaviana izany teny izany ka nampiantso ny mpanao gazety izy ireo teny amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary. Fiarovana ny ekipany fotsiny ny fanambarana nataon’ny CIRGN hoe: tsy nisy fitifirana tamin’io fotoana io ary raha ny hevitry ny fokonolona no nanontaniana dia rariny izy ireo raha namely hoe: “tsy nahare poa-basy” satria 50 km miala ny “carriere” vao misy tanana ka tsy ho re velively izany”, hoy Tomasy TSIMIONDRA, rahalahin-drain’ilay Tovolahy maty.
“Malahelo tokoa izahay fianakaviana fa mandainga amin’ny vahoakany ny Filoham-pirenena satria izahay anisan’ny vahoaka”. Raha tsy zanany i Mathieu dia tsy tany izany ilay olona voalaza fa nitondra mpitandro filaminana niaraka tamin’ny vadintany nandroaka ireo mpitrandraka. Nanizingizina anefa Atoa TSIMIONDRA fa tany ny zanakin’ny Filohan’ny Repoblika ary anisan’ny tomponandraiktra tamin’ny naha voatifitra ny zana-drahalahiny.
Araka ny fanazavana hatrany, efa nametraka fitoriana teny amin’ny “procureur de la Republique” mihitsy ireto fianakaviana mitady an’izao vata-mangatsikan’izao zanany izao fa tsy nisy vokany izany hatramin’izao. Manana olona voatondro nahavanona ny loza ireto farany izay voalaza ao anaty fitoriana, araka ny fanazavan’i YRMAND, rahalahin’ny maty sady nanofa ilay toeram-pitrandrahana.
Mangataka ny fianakaviana fa raha “te ahita ny marina dia avelao ny “procureur de la Republique” hanao ny asany tsy misy teritery fa tsy ilaozana mamorona lainga eo fotsiny”.
Lynda A.
“Ny fanampiana ny an’ny Atsimo izao tokony imasoana fa tsy ny adi-poko”.
Mikaon-doha fatratra ireo avy any amin’ny faritra Androy izay mahatsapa fa voatonotonona manoloana ny raharaha Ankaraoka Anjozorobe. Nivory ireo zanak’Androy ny 03 Martsa lasa teo mba itadiavam-bahaolana haingana mahakasika io raharaha io. Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka izy ireo ka nilaza fa tokony hifampiresaka ireo voakasika amin’izany dia ny tompon-tany sy ny mpanofa. Nambaran’ny Loholona MAMITIANA Fabergé fa hisy ny fanambarana natao kanefa noho ny fandaminana sy ny resaka amin’ny ara-drazana dia atao amin’ny manaraka izany. “ Nifanaraka koa ny rehetra fa tsy misy olona manambara fa feon’ny Androy izay havoaka amin’ny haino aman-jery”. “Niteny amin’ny anarany manokana ireo nanao fanambarana ireny fa tsy nifampierana”, hoy izy. Miantso fitoniana noho izany ny zanak’Androy.” Ny ady atao amin’ny kere any Atsimo izao no tokony iraisan-kina”.
AUDIO : MAMITIANA Fabergé
Marihina fa nisy loholona vitsivitsy nanatrika ny fivoriana toy ny loholona KOLO Roger, MAMITIANA Fabergé. Mbola hanao fanambarana miaraka ireo zanak’Androy ireo.
Lynda A.
TOMPON’NY “CARRIÈRE” TAO ANJOZOROBE: “Tsy nisy maty izany tany”.
Niniana natao ve ny filazan’ny fianakavian’i Mandignisoa fa maty izy? Ny ankilany mantsy toa milaza fa fomba entin’i Yrmand ahafahan’ny mitrandraka ao Ankaraoka izany. Continuer la lecture