politique

Pr James RATSIMBA: “Sarimihetsika fotsiny ihany no nataon’ny loholona Lylison sy ny Jeneraly Florens”.


AUDIO : Pr James RATSIMBA

“Na ny fihetsika nataon’ny loholona Lylison René de Rolland na ny an’i Jeneraly Florens Rakotomahanina dia samy tetika maloto avokoa. Ny frantsay ihany no ao ambadik’ireny”, hoy Profesora James RATSIMBA. Nambarany fa sarimihetsika fotsiny ireny fifanandrinana ireny.

“29 Martsa, andro nahatsiarovana ny vono moka nataon’ny Frantsay teto Madagasikara”. Nambarany fa toa izy namono indray no maniraka ny bolokiny hanatitra fehezam-boninkazo hanamarihana izany. Tsy mitsahatra maneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena ity Profesora ity ary tsy miala ao ambavany fa ny “Frantsay” no miezaka manapotika ny firenena Malagasy. Noho izany, nilaza izy fa raha tsy fongorana hatramin’ny fakan’ny rafitra napetrany teto dia tsy handroso izany i Madagasikara.
Efa natsidiny sahady fa efa manomana tetika manoloana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 ny “Frantsay” ka ny olony ihany no hitondra fa fombafomba fotsiny ny fampandraisana anjara ireo mpifidy.
Fantatra amin’ny fitakiana ireo Nosy Malagasy ihany koa i James RATSIMBA, nomarihiny fa tsy hitsahatra ny hitabataba hitaky izany ny tenany ary tsy hitsahatra raha tsy miverina amin’ny Malagasy izany.
Lynda A.

VIDEO : Profesora James RATSIMBA


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *