politique

Retovo LATIMER: Ny mpanao politika no mampitarazoka ny raharaha Anjozorobe.


“Efa mizotra amin’ny fampiraharahana  ny fianakavian’i TSIMIONDRA, ilay manana zanaka maty voatifitra tao amin’ny toeram-pitrandrahana Marotsipohy Anjozorobe”, araka  ny  fanazavan’i  Retovo LATIMER, Filohan’ny Fikambanana Zanaka Androy. Raha ny  tokony ho izy dia efa ela no niravona ity disadisa ity fa  ireo mpanao politika no misavika ny raharaha mba handrodanana ny fitondrana ankehitriny.  Raha jerena mantsy ireo mpanao politika manohana ny fianakaviana dia toa avy amin’ny tetezamita avokoa.

“Efa nisy raharaha nitovy tamin’ity tranga ity tamin’ny fitondran’ny Filoha teo aloha, Didier RATSIRAKA.  Araka ny tantara, ny  fidinana an-dalam-be tamin’ny  10 Aogositra 1991, dia nisy 400 lahy antandroy  nafaran’ny  antoko  MONIMA, izay nanohana ny fitondrana tamin’izany,  handrava ny herivelona Rasalama sy  hipilotra azy ireo . Tezitra mafy ny zanak’Antananarivo ka saika namono izay antandroy rehetra nipetraka teto Antananarivo. Nanoloana izany, nitsangana LATIMER Rangers  niaro ny zanak’Androy teto ary  teo no niforona ny fikambanana  Zanak’Androy.” Nentina nananganana adi-poko  iny raharaha iny satria nentin’ny MONIMA nanoherana ny Zanak’Androy”. Ankehitriny dia mifandraika amin’izay ny raharaha Anjozorobe.   Misy ny  fifanoherana eo amin’ny TSIMIONDRA sy ny Zanak’Androy izay tarihan’i Retovo LATIMER. “Ny antony dia tsotra, nanohana ny antoko MONIMA  ity voalohany ka mbola mitady  hitohy izany.  Io toe-javatra mitranga io ihany koa no hararaotin’ny mpanao politika  manana kakay amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao mba hisian’ny adi-poko ary hiteraka savorovoro hiafara amin’ny fandravana ny fitondrana”.

AUDIO : Retovo LATIMER

“Tsy ho tanteraka mihitsy anefa izany satria ny tenako no mpitarika ny Zanak’Androy izay efa nahazo tso-drano tamin’ny razana  ary izaho no to teny amin’izy ireo ka tsy ho voarebireby amin’izany  adi-poko izany izy ireo”, hoy hatrany ny Filohan’ny Zanak’Androy.  Mitaky ny fihavanana ny fikambanana fa tsy fikorontanana.

Araka ny fomba  Antandroy, raha misy ny raharaha tahaka an’ Anjozorobe dia misy fombafomba arahina ho fitandroana  foana ny fihavanana.  “Raha tena tsy hita izany ilay faty dia hananganana vatolahy ary misy fifampiraharahana eo amin’ny fianakaviana sy ilay nahavanona ny loza”.

Ho fanaporofoana  fa tsy misy disadisa eo amin’ny zanak’Androy dia hanatanteraka fiaraha- mikorana izy ireo  amin’ny zoma 24 Martsa any Toamasina.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *