politique

AUGUSTIN ANDRIAMANANORO : Tantara mitohy…Soamahamanina…niditra Viva Ambodivona…traingo teny am-pasana teny Itaosy… Ilay olo malazan’ny tetezamita.


Voasambotra teny am-pandevenana ny rahavavin-dreniny i Augustin ANDRIAMANANORO ny Sabotsy hariva lasa teo. Izao ilay tonga amin’ny fitenenana hoe « manararao-paty ». « Tsy rariny sy manalabaraka anay fianakaviana izao ataon’ny mpitandro filaminana izao satria ao anatin’ny fandevenana ny havany no nitranga ny fisamborana », hoy ny fianakaviany. Raha ny fanazavan’ny mpiaro azy, Maitre Andriamisetra, « tsy nisy mihitsy ny fiantsoana azy talohan’izao fisamborana izao ka nanda izy. Noho izany , aminay tsy manaraka ny lalana izao fisamborana izao ». Nanambara ihany koa, ity minisitry ny tetezamita teo aloha ity fa tsy mbola nanda ny fifampiresahana mihitsy ny tenany ary milaza tsy mahafantatra izao fisamborana izao izy. « Asa raha fifandrifin-javatra na fanahinina natao izao fisamborana ahy aty amin’ny fandevenana izao fa izaho tsy nitsoaka mihitsy ». Raha ny vaovao azo avy amin’ny fianakaviana, notazonina any Miarinarivo izy.
Tantara mitohy ity nitranga teny Itaosy ity raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy. Tohin’ny raharaha Soamahamanina, ny saika hisamboran’ny mpitandro filaminana azy teny amin’ny VIVA ary izao fisamborana izao. Ny mahagaga kely amin’izy ity, ny tsy fisian’ny taratasy fahazoana misambotra na « mandat d’arret » teny amin’ireo mpitandro filaminana.
Nirina R

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *