Betsaka ny manontany ny fiantraikan’ny asa fikarohana amin’ny fiainana andavanandro. Hivaly mandritra ny hetsika karakarain’ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES), mandritra ny hetsika fankalazana ny andro manerantany ho an’ny tontolo iainana, ny 5 sy ny 6 jona 2026, eny amin’ny lapan’ny tanana Analakely izany fanontaniana izany. Mampiavaka ity hetsika mitondra ny lohateny hoe: “fikarohana manakaiky vahoaka” ity ny fampifandraisana ny fiarovana tontolo iainana, ny fanatanjahatena ary ny kolontsaina.
Mandritra ny roa andro dia hisy ny fampirantiana ireo voka-pikarohana momba ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy ataon’ireo mpikaroka sy mpianatra eny amin’ny oniveriste sy ataon’ireo ivon-toeram-pikarohana eto Madagasikara. Handray anjara amin’ny fampirantiana ihany koa ireo sampam-piofanana sy sampam-pikarohana momba ny tontolo iainana. Trano heva 60 no ho hita mandrita ny hetsika, araka ny fanazavan’i Dr Souleman Ibrahim Andriamandimby, Tale misahana ny fanatanjahantena sy kolontsaina eo anivon’ny MESUPRES.
Ankoatra izany, hisy ny velan-kevitra ara-tsiantifika hiresahana ny fifandraisan’ny kolontsaina, ny fiarahamonina, ny olombelona ary ny tontolo iainana sy velan-kevitra momba ny faritra arovana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Mampiavaka ity hetsika ity ny fifaninanana ara-panatanjahantena taranja basket lalaovin’ny olona 3 (3X3). Natokana ho an’ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana izany. “Ekipa 90 no handray anjara amin’ny lalao izay avy amin’ny faritra Analamanga, Itasy ary Vakinankaratra”, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpikarakara.
Misokatra ho an’ny daholobe ity hetsika natokana hanamarihana ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny tontolo iainana, karakarain’ny MESUPRES miaraka amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD), ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny fikambanan’nympanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE), ny federasiona malagasy misahana ny taranja Basketball ary ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa ity. Manasa ireo mpianatry ny lisea ihany koa ny mpikarakara hoavy hitsidika ny hetsika fa hanampy azy ireo amin’ny fanomanana ny fianarana aorian’ny bakalorea izany.
Ra-Nirina


