Archives mensuelles novembre 2021


ORANGE MADAGASCAR – SUPERCODEURS: Ankizy 40 nahazo fanentanana momba ny fikorantanan’ny toetrandro


Noho ny fivorian’ny firenena mikambana (ONU) momba ny toetrandro andiany faha-26 (COP26) atao any Glasgow, nanomboka ny 1 ka hatramin’ny 12 novambra 2021, nikarakara atrikasa #SuperCodeurs nampitondraina ny lohateny hoe « Codons pour la planète » ny Orange Madagascar sy ny PNUD (Programme des Nations Unies pour le Développement). Continuer la lecture


MOMOTA TAO ANTSAHAMANITRA : MAHALIANA NY ANKIZY HATRANY NY HETSIKA


Dongidongy sy hantahanta isan-karazany ny an’ireo ankizy vao nahalala fa hanao « zavatra » etsy Antsahamanitra ilay Momota be. Nisy dia nahavatra niova toetra vetivety teo satria notambazan’ny ray aman-drenininy fa raha tsy mianatra tsara sy tsy manao raharaha dia tsy mahazo mijery Momota. Dia raikitra ny fotoana tamin’ity tolakandron’ny Sabotsy 06 Novambra 2021 ity ka dia rakotra zaza sy ankizy ary olon-dehibe manala adidy, tonga nijery Momota. EFa taona roa latsaka kely izao no tsy tazana intsony Momota ka dia samy nangetaheta zava-mahaliana ny rehetra.
Mafana dia mafana ny andro, ary mbola nafana lavitra noho izany ny hafanan’ny lanonana teny an-toerana satria dia nalai-nisaraka ny rehetra… ny ankizy rehetra ihany koa dia naman’i Momota tamin’ireo hira efa nahazatra hatramin’izay… Miampy sirika sy mazia ary dihy voarindra isan-karazany. Continuer la lecture


AJE-OJM-CRIMAD: Manameloka ny herisetra sy fakana ny fitaovan’ny mpanao gazety niasa tany Menabe


Manoloana ny herisetra nataon’ny tomponandraiki-panjakana iray ao amin’ny faritra Menabe ny mpanao gazety nanao ny asany nandritra ny fandalovana tao amin’ny ala arovana Kirindy, anatin’ny faritra arovana Menabe Antimena dia manaitra ny tomponandraikitra isan-tsokajiny handray  ny andraikitra tandrify azy avy sy ny fepetra mifanaraka amin’izany ny fikambanana mpanao gazety  mikirakira ny tontolo iainana (AJE), ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) ary ny fikambanan’ny mpanao gazety paka sary (CRIMAD). Continuer la lecture


PASSÉ GLORIEUX DE MADAGASCAR En attendant le rêve Barea et Maki


Il est permis de rêver sans en être coupable. A notre connaissance la pétanque et la boxe française savate sont les seules disciplines sportives auxquelles Madagascar a disputé pour les  championnats mondiaux. Pour les sports collectifs, nous n’avons atteint ces stades extrêmes que dans le basket ball féminin il y a de cela 50 ans.

Le retour de l’équipe féminine de basket ball avec la « coupe » africaine à Antananarivo avait  entraîné une ruée. C’était à Lomé Togo que la qualification s’est disputée à l’issue de laquelle Madagascar s’est vu attribuer le titre de représentant de l’Afrique pour le championnat mondial au Brésil. Continuer la lecture


NY LASA NAMIRATR’I MADAGASIKARA : Mandra-pandrevirevy ny Barea sy ny Maki


Azo atao tsara ny manonofinofy ary tsisy mahadiso an’izany. Raha tsy diso izahay dia ny taranja kanetibe (pétanque) sy ady totohondry boxe française savate ihany no mbola nisy fandraisantsika Malagasy anjara tamy sehatra famaranana fiadiana tompondaka eran-tany. Ny teo amy tontolon’ny taranja iombonana na sport collectif, dia tsy mbola tafakatra tamin’izany isika, afatsy teo amy taranja basketball vehivavy, efa 50 taona mahery lasa izay.

Niteraka robiroby teto Madagasikara tokoa tamin’izany fotoana izany ny nahazoan’ny ekipa nasionaly malagasy ny amboara afrikana taranja basketball zazavavy, ka nitondrany izany « coupe » avolenta izany nody teto Antananarivo. Tany Lomé Togo no niadiana izany ka nahazoantsika voalohany ny tompondakan’i Afrika. Vokatr’izany, dia Madagasikara no solontena afrikana niady izay ho tompondaka eran-tany natao tany Brésil.

Raha tsy diso ny fitadidianay, dia laharana faha 13 /13 tamin’ireo nandray anjara ny Malagasy, izany hoe farany. Tsy nanafoana ny fiderana an’ireo tovovavy zakan’i Gasikara mendrika ireo izany. Tsy nahasakana ny fientanam-pon’ny vahoaka malagasy tsivakivolo koa, fa tena nanandratra avo ny voninahitr’i Madagasikara izy ireo.

Mandalo eto Madagasikara i Raberanto Nicole, iray tamin’ireo nandrafitra ny ekipa nasionaly tany Brésil. Mila ravinahitra atsy Saint-Denis izy, ary hamangy ny zanany any Toulouse. Mitsidika ny mpiray tampo eto an-drenivohitra, ary anisan’ny tonga nanotrona azy ny mpiara-nilalao tany Brésil Rabakoarivelo Achille. Samy nilalao tao amy CASOI izy mirahavavy ireo ka tsy mifankafoy. Isaorana manokana i Nicole nanaiky ny anterivava natao ho an’ny Délire Madagascar. Continuer la lecture