Socio-eco

AJE-OJM-CRIMAD: Manameloka ny herisetra sy fakana ny fitaovan’ny mpanao gazety niasa tany Menabe


Manoloana ny herisetra nataon’ny tomponandraiki-panjakana iray ao amin’ny faritra Menabe ny mpanao gazety nanao ny asany nandritra ny fandalovana tao amin’ny ala arovana Kirindy, anatin’ny faritra arovana Menabe Antimena dia manaitra ny tomponandraikitra isan-tsokajiny handray  ny andraikitra tandrify azy avy sy ny fepetra mifanaraka amin’izany ny fikambanana mpanao gazety  mikirakira ny tontolo iainana (AJE), ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) ary ny fikambanan’ny mpanao gazety paka sary (CRIMAD). “Voararan’ny lalàna velona ary maha voasazy ny manao herisetra na mikasi-tanana ny mpanao gazety ao am-panaovana ny asany, na maka ny fitaovana iasany sy mamafa ny sary azony”, hoy ny filohan’ny AJE, Andriantefiarinesy Njaka. Manamarina izany ny sata mifehy ny fampahalalam-baovao, ny lalàna faha 2016-029 tamin’ny 29 aogositra 2016 nasiam-panovàna tamin’ny lalàna faha 2020-006 tami’ny 1 septambra 2020 mikasika ny serasera amin’ny alalan’ny fampitam-baovao, ao amin’ny andininy faha-68 izay milaza fa : “Izay herisetra ataon’ny vatatenan’olona na fikambanana, manam-pahefana ara-panjakana, ny mpitandro filaminana amin’ny toerana misy ny mpanao gazety, na ny ekipa mpanao fanadihadiana na ny foiben’ny onjam-peo sy fahitalavitra izay manimba ny fitaovana fiasany, dia iharan’ny fanenjehana  sy sazy araka ny fepetra ao amin’ny fehezan-dalàna momba ny ady heloka. Ny kopian’ny fitoriana nataon’ny niharan-javatra dia azo ampitaina amin’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Afa-tsy raha misy fanamelohana araka ny lalàna sy ao anatin’ny fisahanany ny asany, dia voarara ny figiazana ny fitaovam-piasan’ny mpanao gazety na ny rantsana misahana ny asa fanaovan-gazety. Voarara ihany koa ny fanimbana sy fanapotehana ny zava-pantatra raketina ao amin’ny endriny rehetra”. Noho izany, manameloka ny fihetsika nataon’ny mpitondra fanjakana tamin’ireo mpanao gazety nanao fanadihadiana lalina momba ny fananantany tany amin’ny faritra Menabe ny AJE, ny OJM ary ny CRIMAD.

Manitsakitsaka ny zon’olombelona

Araka ny fitantaran’ny ireo mpanao gazety miisa efatra niharan’ny herisetra sy fandrahonana dia nandalo tao amin’ny alan’ny Kirindy izy ireo ny 7 oktobra 2021 ary nahita doro tanety. Amin’ny maha mpanao gazety paka sary ny iray tamin’izy ireo dia naka sary no nataony voalohany. Tezitra arak’izany ny tomponandraiki-panjakana iray izay avy namono ny afo teo  ka nosintoniny teny amin’ilay paka sary ny  fakan-tsariny satria “tokony hamono afo fa tsy tokony haka sary”. Rehefa nanatona sy nanontany ny zava-misy ireo mpanao gazety telo hafa dia nahazo fandrahonana ho vonoina. Nalain’ity tomponandraiki-panjakana ity ny “carte SD” an’ilay fakan-tsary ary naveriny ny fakan-tsary. Tsy naveriny io “carte” io raha tsy nisy fifanelanelanana nataon’ny mpisehatra iray niaraka tamin’ireto mpanao gazety ireto.  Nohamafisin’ny Filohan’ny OJM, Rasoloarison Harimbola Monica fa manameloka ireo fanitsakitsahana ny fahalalan’ny mpanao gazety ireo, izay midika ho tsy fanajana ny zo fototry ny olombelona, ny olom-pirenena hisitraka vaovao maro lafy sy feno ary koa, fandikan-dalàna.

Redaction


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *