Archives mensuelles mars 2019


FANOMANANA NY CAN 2019 : Misy ny tetibola natokana ho an’ny Barea


Hatramin’ny  fifaranan’ny lalao CAN 2019 atao any Egypta ny fifanarahana amin’ny Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy, araka ny fanazavan’ny filohan’ny kômity ny fampanarahana fenitra (comité de normalisation), Atallah Béatrice.  Hiaro ny voninahitr’i Madagasikara ny  Barea ka tapaka teo anivon’ity kômity ity fa misy ny tetibola manokana ho fanohanana ny ekipam-pirenena sy ireo delegasiona hiaraka amn’izy ireo mandritra ny lalao. “Hanampy ara-bola ny FIFA, ny CAF ary hantenaina fa handray anjara ihany koa ny fitondram-panjakana amin’ny fanohanana ny ekipam-pirenena Malagasy ka ny Prezidan’ny Repoblika no hanolorana voalohany  io tetibola nofaritana io”, hoy  i Atallah Béatrice nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny zoma 1 martsa 2019 lasa teo.

Lalaom-pirahalahiana

Ao anatin’izay fanomanana ny lalao iadiana ny tompondaka an’i Afrika izay hatrany dia handray anjara amin’ny lalaom-pirahalahiana ny ekim-pirenena Malagasy. Raha tsy misy ny sampona dia ny 2 jona 2019 izy ireo no hifanandrina amin’ny Luxembourg ary ny 5 jona kosa amin’ny Kenya. Mbola hifampiresahana kosa ny lalao ara-pirahalahiana ho atao eto an-tanindrazana mialoha ny CAN, raha ny fanazavan’ny filohan’ny kômity ny fampanarahana fenitra hatrany.

Fifidianana

Mampanahy ny tsy hahavitan’ny fifidianana ny filohan’ny federasiona ny baolina kitra Malagasy (FMF) mialoha ny fahataperan’ny fe-potoana hiasan’ny kômity ny fampanarahana fenitra izay ny 12 mey ho avy izao. Nambaran’ny filohan’ny kômity ny fampanarahana fenitra fa tsy maintsy hirosoana aloha ny fifidianana ny filohan’ny ligy ny Bongolava izay anisany sakana tsy nahavitan’ ny fifidianana ny filohan’ny federasiona nokarakarain’ny FMF teo aloha. Ho averina ihany koa ny fifidianana filohan’ny seksiona ao Tsiroanomandidy. Aorian’ireo fifidianana ireo no hamaritana ireo delege tokony hiatrika ny fivoriambe tsy ara-potoanan’ny kômity ny fampanarahana fenitra amin’ny fiandohan’ny volana aprily 2019 ary ho fantatra amin’io fivoriana io ireo mpifidy 22 handray anjara amin’ny fifidianana filohan’ny FMF.

Lynda A.