Sport

BAREA (Bôlida sy Faneva): Tsy nisy nieritreritra ny hanala azy ireo


Manoloana ireo resaka izay miparitaka momba ireo mpilalao roalahy ireo dia nilaza ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny fédérasiona Malagasin’ny baolina kitra. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy misy izany fanesorana an’i Lalaina Nomenjanahary na Bôlida  sy Faneva Ima ao anatin’ny ekipam-pirenena malagasy izany mihitsy.

Nohamafisin’ny DTN-FMF tamin’izany fa tsy ireo olana kely izay azo ifampiresahana akory no hanapotehina ny tanjona goavana ho an’ny baolina kitra Malagasy. Nambaran’ingahy Debon Jean François izay tale teknikan’ny federasiona nandritra ny nivahinianany tao amin’ny Televiziona Malagasy fa anjaran’ny mpanazatra  Nicolas Dupuis  irery ihany no misafidy malalaka izay mpilalao heveriny fa tokony handrafitra ny Barean’i Madagasikara. Ho an’ity mpanazatra teratany Frantsay ity dia ny fifantohana amin’ny fanomanana ny CAN 2019 no tokony himasoan’ny rehetra fa tsy tokony hamboly olana ho an’ireo mpilalao izay efa manao ny ainy tsy ho zavatra ka nahazoana izao vokatra izao.

Bob Thierry


One comment on “BAREA (Bôlida sy Faneva): Tsy nisy nieritreritra ny hanala azy ireo

  1. Pingback: BAREA (Bôlida sy Faneva): Tsy nisy nieritreritra ny hanala azy ireo - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *