politique

OLOM-PANJAKANA MANAO PROPAGANDY: Hiroso amin’ny fitoriana azy ireo ny DFP


Miditra amin’ny herinandro faha-telo ny propagandy isika izao, efa an-jatony ny olom-panjakana azo sary nanao fampielezan-kevitra. Nisy ihany koa ny fitaovam-panjakana toy ny fiara nitaomana olona hanao propagandy, araka ny tatitra nataon’ny  vovonana Dinika ho Fanavotam-Pirenena (DFP) ny 24 oktobra 2018. “Hiroso amin’ny fametrahana fitoriana ireo olom-panjakana izahay. Tsy mahatonga lafatra ny asa ataonay ny enti-manana ka mangataka fanampiana amin’ireo malala-tanana izahay”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny DFP, Maharavo Ratolojanahary na Doudou nandritra valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 24 oktobra 2018.

Misy amin’ireo mpiasam-panjakana narahin’ny ekipan’ny DFP maso no mpikambana ao amin’ny governemanta, lehiben’ny faritra, sefom-pokontany…Nambaran’i Doudou fa tsy maintsy  ry zareo mpitarika no handeha hametraka ny fitoriana any amin’ireo fitsarana manakaiky ny toerana nahitana ny tranga. Ka ny ho enti-manana amin’ny fivezivezena no hangatahan’izy ireo fanampiana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *