Le Président Rajaonarimampianina, lors du lancement du CNSS, le 7 juin 2018 à Niarovana Caroline, a présenté dans son discours des bases pour réussir la marche vers Fisandratana 2030. Continuer la lecture
Archives mensuelles juin 2018
Fanotorana tany : Tsy ho afa-bela ireo mpiray tetika
Hanara-maso ireo toerana nototorana tany tsy manaraka ny drafi-panajariana ny tany ireo polisy vao avy nanao fianianana ny 11 jona 2018. Continuer la lecture
Antoko politika MSV: Hamerina ny rafitra fokonolona
“Tsy voatery avy aminay ny kandida handray anjara amin’ny fifidianana filohampirenena”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Sahy sy Vonona (MSV) nandritra ny fijoroan’ny antoko tamin’ny fomba ofisialy androany 09 jona 2018. Continuer la lecture
FANAFIHANA FIARA MPITONDRA MPIZAHANTANY: Mpiseradia iray maty voatifitra
Mihorohoro tanteraka ireo mpamily fiara mpitondra mpizahantany mankany Morondava, Tsingin’ny Bemaraha. Amin’ny atoandro be nanahary ireo dahalo no manafika ireo fiara mitondra mpizahantany. Continuer la lecture
Mpiasan’ny MEETFP sy ny sendika: Manamafy ny efa mijoro
Mandray anjara tanteraka amin’ny fanarenam-pirenena ny mpiasan’ny Minisiteran’ny fampananan’asa sy fampianarana teknika ary fampiofanana arak’asa ( MEETFP ). Continuer la lecture
Diplomasia malagasy: Mila averina amin’ny laoniny
Efa ho herinandro ny sendikan’ny mpiasan’ny ministeran’ny raharaham-bahiny (SYNCORMAE) no nitokona. Ny fepetra momba ny asa no anton’izany. Continuer la lecture
Sendikan’ny mpitsara: “Mila diovina ny ministeran’ny fitsarana”
Tsy mitsahatra ny fangatahana ireo ministra tsy hiverina hitantana ministera. Manoloana ireo tranga mamoehitra teo anivon’ny fitsarana Malagasy, tsy manaiky ireo ministra mamerina kilasy ao amin’ny ministeran’ny fitsarana ny SMM “Syndicat des magistrats de Madagascar”. Continuer la lecture
ASSOCIATION LA CHARITÉ MADAGASCAR: Tsy mifidy finoana ny fanampiana ny mpiara-belona
In-droa isam-bolana ny fikambanana « association la charité Madagascar » no mizara sakafo ho any olona sahirana. Niova tamin’ny mahazatra izany tamin’ity “volan’ny ramadany” ity. Continuer la lecture
FANISAM-BAHOAKA: Mijanona ho tsiambaratelo ny valim-panontaniana
13 andro no ilaina hamitàna ny fanisana ankapoben’ny mponina sy ny trano fonenana, andiany fahatelo (RGPH3), araka ny fanazavan’ny « chef de l’unité de travaux de terrains » an’ny INSTAT, Philémon Razafimamonjy. Tsy ho tratra noho izany ny fe-potoana hamitàna ny fanisàna amin’ny 10 jona 2018. Ny fahataràn’ny karaman’ireo “agents recenseurs” (AR) sasantsasany no anisany antony hampihemotra io daty voatondro io. Nisy tamin’ireo “agents recenseurs” no tsy nanomboka ny asany raha tsy azon’izy ireo ny karamany, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny fanisana, Tovonirina Thédore Razafimiarintsoa, nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny 06 jona 2018. Nambaran’ity tomponandraikitra ity fa nampandraiketina ny fandefasana ny karaman’ireo AR ny tambazotra serasera Telma. Nalefa tamin’ny alalan’ny Mvola noho izany ny karama ka nisy ny tsy fetezana.
Ankoatra izany nampanahy ny mponina ny fanontaniana ataon’ny AR. Nohamafisin’ny mpandrindra nasionalin’ny fanisana fa ao anatin’izany fanontaniana izany ny fanisana ny “biens possédés par le ménage” na ireo fananan’ny tokantrano iray toy ny radio, televiziona, ny finday… Ahafahana mamantatra ny fari-piainan’ny Malagasy izany. Mijanona ho tsiambaratelo tanteraka anefa ny fahafantarana izany fa isa amin’ny ankapobeny no havoaka any amin’ny farany. Tsy vitan’ny fanisàna ny olona ihany no atao amin’ny RGPH3 fa jerena ihany koa ny fahasalamany, ny lafiny asa, ny fahaizana mamaky teny sy manoratra… Masontsivana ilaina amin’ny fananganana tetikasa ny fananana antontan’isa.
Lynda A.
FIOMBONAMBEN’NY MPIASAN’NY M2PATE: Mitaky olom-baovao mahafehy ny fananantany
Ho voavaha ny olan’ny fananantany eto Madagasikara raha teknisianina ny ho minisitra misahana ny fananantany. Noho izany, efa nanome anarana teknisianina azo isafidianana tsara ho atao ministra misahana ny fitantanana ny fananan-tany ny fiombonamben’ny mpiasan’ny ministera eo anivon’ny fiadidian’ny repoblika misahana ny tetik’asan’ny filohampirenena, fanajariana ny tany sy ny fampitaovana (M2PATE). Continuer la lecture