politique

Sendikan’ny mpitsara: “Mila diovina ny ministeran’ny fitsarana”


Tsy mitsahatra ny fangatahana ireo ministra tsy hiverina hitantana ministera. Manoloana ireo tranga mamoehitra teo anivon’ny fitsarana Malagasy, tsy manaiky ireo ministra mamerina kilasy ao amin’ny  ministeran’ny fitsarana ny SMM “Syndicat des magistrats de Madagascar”.

Tetsy amin’ny  fitsarana tampony no nanambaran’izy ireo izany. Hetahetan’izy ireo ny hanontaniana ireo mpitsara singanina manokana ny eo anivon’ny sendikan’ny mpitsara amin’izay olona hotendrena ministra. Tsy manaiky kosa anefa izy ireo raha toa olona efa malaza ratsy eo anivon’izany fitsarana izany no hotendrena. Ministra afaka hitandro  ny tombotsoan’ny fitsarana, ny hasin’ny fitsarana, fikatsahana hatrany ny fahaleovantenan’ny fitsarana sy ny mpitsara. Ankoatra izay ministra  vonona hijoro amin’ny fampanjakana ny tany tan-dalana eto Madagasika. Eo ihany koa ny fitakiana ny fisian’ny fanjakana tsara tantana indrindra indrindra ny ady amin’ny kolikoly. Na izany aza, mpitsara mbola manana fotoana lava hiasana eto anivon’ny Fitsarana no atao ministra, manana traikefa sy mahafehy ny fitantanana ary ny fifidianana, madio  fitondratena  sy  fomba  fiasa  teto  anivon’ny fitsarana  ary resy lahatra tanteraka amin’ny ady tokony atao amin’ny kolikoly eto anivon’ny fitsarana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *