politique

DFP: Voatery nahemotra ny dinika.


Anterivava : Maharavo RATOLOJANAHARY.

Nosamborina ny namanay mpitarika ny Vona Soamahamanina, niaraha-nahita ny fandrarana akitsirano ny fivoriana nokarakarain’ny MMF, mahazo fandrahonana avokoa ireo rehetra mikarakara ny dinika. Etsy ankilany, tsy ilaozany ny mpikarama an’ady rehefa vory vahoaka, betsaka ny karamaina hanakorontana fotsiny ka mifototra any amin’ny mpitarika ny rihitra avy eo. Manoloana izany indrindra, ho fitandroana ny fandriam-pahalemana dia voatery nahemotra ny “dinika ho fanavotam-pirenena” izay saika atao amin’ity herinandro ity. “Mampiahiahy loatra ny fihetsika ataon’ny fitondrana ka sarotra tanteraka ny fanatanterahana ny dinika”, hoy Maharavo RATOLOJANAHARY.
Nitantara ny zava-nitranga tany Fianarantsoa ny tenany omaly, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety. “Raha sendra nivory tao anaty efitrano, handrafitra ny fandaharana asa ahafahana miakatra eto Antananarivo ny avy any Fianarantsoa handray anjara amin’ny dinika dia nisy olona tonga nanafika ary nilaza io olona io fa nahazo baiko”.
“Tsy maintsy tohizana anefa ny dinika”, hoy hatrany i Doudou.
Lynda A.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *