Archives mensuelles juin 2016


FOCUS DEVELOPMENT: Mitolona ho an’ireo timanantsata


Fikambanana miara-miasa amy ny Komisaria Ambony an’ny Firenenena Mikambana misahana ny mpitsoam-ponenana (UNHCR) ny Focus Development. Naneho an-tsary ny salovan-tavan’ireo olona tsimanantsata na “apatrides” monina eto Madagasikara ny Focus tetsy amy Rarihasina. “Gasy Jiaby” no nanagasian’ny Focus ny hetsika eran-tany (Campagne mondiale) antsoina hoe “I belong” na “J’appartiens”. Anterivava.

Délire Mada : Mlle Nathalie Safia Mohamed, inona no anton’ny famelabelarana ataonareo eto?

Delire Nathalie11Nathalie Safia Mohamed (NSM): “Avy amy ny Focus Development Association izahay, miara-miasa amy ny UNHCR, sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny olona mpitsoam-ponenana sy ireo tsy manan-tsata (apatrides). Ny antony anaovanay fampirantiana eto amy ny Rarihasina dia miara-miasa amy Ny Eja mpanoratra izahay. Izy anisan’ny nanoratra tantara ho fanehoana ny fiainan’ireo olona tsy manan-tsata na apatrides eto Madagasikara. Dia anisan’ny nasainy izahay ao amy ny ekipan’ny Gasy Jiaby. Ity campagne Gasy Jiaby ity moa dia nalaina tamy ny campagne mondiale «I belong» na «J’appartiens». Dia ilay “campagne” Gasy Jiaby no natao ho an’i Madagasikara manokana mba ampahafantarana ny olona hoe inona marina izany hoe Malagasy, hoatry ny ahoana ny hoe Malagasy, iza mipetraka eto amin’ity tany ity no hoe Malagasy. Mamerina izay fanontaniana izay nasain’ny tsirairay izany izahay, satria noho ny fanavakavahana dia maro ny olona tsy manan-tsata, dia izay no antony ity campagne Gasy Jiaby ity. »

DM : Misy karazana tolona ataonareo ho an’ireo sokajin’olona tsy manan-tsata ireo ve?

Delire Nathalie11NSM: ”Eny tompoko, misy tolona ataonay, satria tsara ho fantatra fa tao anatin’ilay ”campagne” Gasy Jiaby dia misy ”volets” roa mazava tsara: ”volet juridique” sy ”volet socioculturel”. Izao hetsika ataonay izao dia ao anatin’ny ”volet culturel”. Fa arak’ilay fanontanianao dia ao anatin’ilay ”volet juridique” izay satria ao anatin’io no misy ny ”assitance légale”. Dia ao anatin’izay ”assitance légale” izay izahay no manao fiahiana sy fanampiana an’ireo olona tsy manan-tsata ireo. Manampy azy maimaimpoana izahay miara-miasa amina ”cabinet d’avocat” mba ahafahany mahazo moramora kokoa ny zom-pirenena malagasy. Izay izany no fanampiana ambadika ataonay amin’ireo olona tsy manan-tsata izay manatona anay.”

Anterivava nation-dRazaka Oliva