Non classé

ZOUZAR BOUKA: “Vina 2030, manafaingana ny fampandrosoana”


Samy naneho ny heviny ny mpandraharaha ara-toekarena momba ny famelabelaran-kevitra Fisandratana “2030”, nataon’ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA, tamin’ny 25 janoary 2018. Anisany voaasa tamin’io fotoana io ny mpandraharaha Zouzar BOUKA sady Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa “Vision Madagascar (VIMA). Mankasitraka ny vinan’ny Filoham-pirenena ny tenany. Nambarany fa mifanaraka amin’ny vina handrasan’ny mpandraharaha tsy miankina sy mpampiasa vola ny Fisandratana 2030. Mitondra fampandrosoana haingana ny fanomezana sehatra ho an’ny mpandraharaha ty miankina.
Voafaritra ao anatin’ny vinan’ny Filoham-pirenena Malagasy, nampahafantariny nandritra ny fankalazana ny fahaefa-taona nanaovany fianianana ny paika ady mitondra any amin’ny fanjakana tan-dalana. “ Antoka ilain’ny mpandraharaha ara-toekarena sy ny fampiasam-bola izany”.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *