Socio-eco

ZAZA MARARY ENY AMIN’NY HOPITALY: Nizara hafaliana ho azy ireo tamin’ny alalan’ny “noely firaisankina” ny Orange Solidarité Madagascar


Tsy adinon’ny Orange Solidarité Madagascar mihitsy ireo zaza marary  eny amin’ny hopitaly rehefa fetin’ny noely tahaka izao. Mpikambana maherin’ny 100 no nitety ireo hopitalim-panjakana, manerana ny faritra, mandray an-tanana zaza marary. Nizara fanomezana ho an’ny zaza miditra hopitaly miisa 900 ireo mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Orange, mivondrona ao amin’ny  fikambananna Orange Solidarité. Ho an’ny teto Antananarivo, nandalo teny amin’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza eny Ambohimiandra, hopitalin-jazakely Tsaralalana, ny sampandraharaha misahana ny zaza ao amin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana (HOMI) sy Befelatanana ireo mpilatsaka an-tsitrapo ny alatsinainy 23 desambra 2024 ka nizara fanomezana toy kilalao, boky, vatomamy sy “biscuit”. Nanao hetsika ara-tsosialy tahaka izany ihany koa ireo mpikambana tany amin’ny faritra: Maintirano, Nosy Be, Mahajanga, Toliara ary Ambanja. Tsy ireo zaza ihany no nahazo hafaliana fa ny ray aman-drenin’izy ireo ihany koa. Nanamafy i Arson Benja, Filohan’ny fikambanana fa zava-dehibe ny hetsika fifampizarana sy ny firaisankina rehefa fetin’ny noely sy faran’ny taona.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *