Socio-eco

WORLD TRADE CENTER: Resy lahatra tamin’ny World cleanup day


Firenena 156 no nankalaza ny andro manerantany ho an’ny fanadiovana (World cleanup day). Mpilatsaka an-tsitrapo mahery ny  4000 no nanamarika izany ny sabotsy 15 septambra 2018 raha ny teto Madagasikara. Nahitana olon-tsotra, solontena avy amin’ny orinasa na fikambanana ireto mpilatsaka an-tsitrapo ireto. Anisany  nandray anjara tamin’ny fanadiovana faobe ny tanàna  natao teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ny ekipan’ny World Trade Center Tana (WTCT). Tranga roa samihafa no niseho tamin’ny sabotsy 15 septambra 2018 lasa teo. Tao ny fanadiovana sy fanangonana ny poti-tsigara sy ireo fako tsy azo ahodina intsony manodidina an’Anosy. Tao ihany koa ny fanangonana ny plastika sy fako azo ahodina. Tanjon’ny hetsika ny fiarovana ny tontolo iainana sy fanentanana ny olom-pirenena tsy hanary fako eny rehetra eny .

Lohahevitra  noraisina tamin’ity andiany ity ny hoe: « tanàna madio no tiako ». Ho fanamarihana izany, nivondrona teny Anosy ireo mpilatsaka an-tsitrapo.  Nanatevin-daharana azy ireo ny mpilatsaka an-tsitrapo miara-miasa amin’ny WTCT momba ny “Marathon International de Tana”. Tsiahivina fa  ny 21 oktobra 2018 no hanatanterahana ity hetsika ara-panatanjahantena ity ary efa misokatra ny fisoratana anarana  eny amin’ny Vima Ankorondrano, FMA Alarobia, ORTANA  Antaninarenina.  Manohana  azy ity ny kaominina an’Antananarivo (CUA). Fihetsika nampisehoan’ny  WTCT fa mpiara-miasa akaiky amin’ny CUA  ny fandraisana anjarany  tamin’ny andro manerantany ho an’ny fanadiovana. Araka ny tantara, ny fikambanana JCI Estonie no  tompon-kevitra fa hanokanana andro iray hanadiovana sy hanangonana ny fako miparitaka eny rehetra eny, folo taona lasa izay. Resy lahatra tamin’ity hevitra ity izao tontolo izao ka nametraka andro iray ho fanamarihana ny andro manerantany ho an’ny fanadiovana ka ny 15 septambra no hankalazana izany.

Lynda A.

 

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *