Ny sabotsy 14 sy ny alahady 15 oktobra 2017 no hanatontosana ny Marathon International de Tana (MIT) andiany faha-17. Efa misokatra ny fisoratana anarana. Afaka hanaovana izany avokoa na eny amin’ny biraon’ny VIMA Ankorondrano, ORTANA Antaninarenina, FMA Stade Alarobia. Nambaran’ny mpikarakara avy ao amin’ny World Trade Center, Mercedes RATSIRAHONANA harotsaka ao amin’ny kitapom-bolan’ny fikambanana AKAMASOA ny 20% ny vola azo avy amin’ny fisoratana anarana.
Nitombo avo roa heny ny loka tamin’ity andiany ity. Roa tapitrisa Ariary no atolotra ho an’ireo voalohany amin’ny lalao Marathon. Mampiavaka ny MIT 2017 ny hazakazaka Corporate, natokana ho an’ny orinasa te hanandratra ny maha izy azy amin’ny halaviran-dalana 10 km. Tsy miova kosa ny lalao ho an’ny ankizy sy fianakaviana (Maratoons), ny foulées écolo izay misokatra ho an’ny daholobe.
Hanampy amin’ny fanatanterahana ny hetsika ny Federasiona Malagasy misahana taranja hazakazaka, ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, ny Ministeran’ny tontolo iainana, ekolojia sy ny ala, ny Ministeran’ny fizahan-tany ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Ankoatra ny fifaninana hazakazaka, hetsika maro toy ara-koltoraly, sakafo… no handravaka ny MIT.