Socio-eco

WIFIBER: Pack internet mety ho an’ny fampivoarana ny fandraharahana


Nihaona tamin’ireo manam-pahefana sy mpandraharaha ara-toekarena ao Antsirabe, faritra Vakinankaratra, ny 16 novambra 2021,  ny ekipan’ny Orange Madagasikara izay notarihin’ny tale jeneraliny, Frédéric Debord. Faritra manana tanjany amin’ny fambolena sy manana indostria misehatra amin’ny fanodinana sakafo i Vakinankaratra. Avy ao amin’ity faritra ity ny 80 % ny vokatra ronono eto Madagasikara. Mitaky serasera avo lenta ny fisian’izany. Nanolotra vahaolana ho an’ireo mpandraharaha hampiroboroboana ny seha-pamokarany ny eo anivon’ny Orange Madagascar. Nampahafantarin’ny orinasa tamin’ireo mpandraharaha sy ny manam-pahefana ao an-toerana ny fisian’ny tolotra Internet haingam-pandeha Wifiber. Natao ho an’ny orinasa te hampiroborobo ny fandraharahana ny “pack internet” Wifiber Pro. Ahitana “Internet haut debit” tsy voafetra ary azo hanaovana antso sy handefasana sms ny tolotra. Ho an’olon-tsotra, manome fahafaham-po amin’ny fanarahana ireo “contenus” toy ny video sy ny maro hafa amin’ny alalany streaming sy fangalana “fichier en ligne” amin’ny fomba haingana ny Wifiber. “Hotohizana ny fanohanana an’Antsirabe sy ny faritra amin’ny alalan’ny fanitarana ny foto-drafitrasam-pifandraisan-davitra sy ny fametrahana fitaovana ilain’ny mponina sy ny mpandraharaha ara-toekarena”, hoy i Frédérico Debord. Tamin’io fivoriana io ihany koa  no nampahafantaran’ny Orange ireo tolotra nahafantarana azy toy ny Orange Money. Tolotra  iray ahafahana mikirakira vola amin’ny alalan’ny finday toy ny mandefa na maka vola, mividy entana, mandoa faktiora…

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *