Socio-eco

VONO OLONA TAO ANKAZONDANDY : Hiatrika fitsarana ireo voarohirohy


Misy mitady hirika hanalefahana ny sazy. Hiakatra eo anivon’ny Fitsarana Ady Heloka Bevava any Ambatolampy rahampitso Zomà 18 novambra 2022 ilay raharaha namonoana an’Itompokolahy Rakotoarisoa Henri, Filohan’ny VOI MIALO tao Ankazondandy, kaominina ambanivohitra Mangarivotra, Distrikan’i Moramanga, faritra Alaotra Mangoro. Olona 35 no hiatrika ny Fitsarana, ka am-polony mahery tamin’izy ireo no fantatra fa efa notazomina vonjimaika tany am-ponja, araka ny fanazavana avy amin’ny loharanom-baovao eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena misehatra amin’ny tontolo iainana sy ny zon’olombelona. Amin’ny raharaham-pitsarana toy izao dia misy hatrany ny olona miheritreritra ny hampihena ny sazy raha tena nanao izany izy ary ataony amin’ny fomba rehetra izany kanefa kosa raha vono olona  dia tokony ny sazy sahaza izany vono olona izany no hiatra. Manaraka akaiky an’ity raharaha ity ny fiarahamonim-pirenena sy ireo fikambanana mpanara-maso ny zon’olombelona ary ny fiarovana tontolo iainana eto an-toerana. Toa izany koa ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Marihana fa ny alin’ny 2 jona 2022 no maty nisy namono ity Filohan’ny VOI MIALO ity. Olona maro no voalaza fa anatin’ny tambazotra ahiana ho nahavanon-doza.

Nanangona Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *