Socio-eco

VONDRONA ERAOPEANINA : Hitohy ny famatsiambola amin’ny fanamboarana foto-drafitrasa eto Madagasikara


Marolafy ny sehatra iarahan’ny Vondrona Eraopeanina (UE) sy i Madagasikara miasa. Betsaka no tsy mahalala izany kanefa marobe ny tolotra sy tohana omen’ireo tetikasa mahazo famatsiambola avy amin’ny UE. Nampahafantarina nandritra ny « andro natokana ho an’ny tetikasa » ireo fandaharan’asa tohanan’ny Vondrona Eraopenina tanterahina manerana an’i Madagasikara. Trano heva miisa 65 no nampiranty izany ny 11 mey 2023, teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Nanatrika ny fanokafana ny fampirantiana ny Ministry ny fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy sy  Isabelle Delattre– Ambasadaorin’ny Vondrona Eraopeanina eto Madagasikara. «Marolafy ny sehatra tohanan’ny Vondrona Eraopeanina toy ny angovo, fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra, ny rano, ny sosialy, ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ny foto-drafitr’asa. Hiditra ao anatin’ny fifidianana isika izao dia misy ihany koa ny fiarahamiasa amin’ireo ratsa-mangaika  samihafa», hoy ny Ministra Ramilison Harifidy. Ireo tetikasa novatsian’ny UE tao anatin’ny fandaharan’asa 2014 – 2020 no nampirantiana teny Analakely, araka ny fanazavan’i Isabelle Delattre. «Efa voafaritra ny asa ho atao ho n’ny taona 2021 – 2027. Efa ao anatin’ny fanatanterahana mihitsy aza. 325 tapitrisa Euros ny famatsiam-bola ho atokana ho an’ny taona 2021-2024. Hotohizanan ny asa momba ny fanjakana tsara tantana, ny fanamboarana fotodrafitr’asa – anisan’izany ny lalana, ny angovo, ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra, ny ady amin’ny fandripahana ala, ny fiarovana ny rohivoahary, ny toekarena manga», hoy izy.  Tsy ny fampandrosoana maharitra ihany no hiarahan’ny Vondrona Eraopenina  miasa amin’ny firenena malagasy fa eo ihany koa ny fanampiana ara-tsosialy. Miara-mientana amin’ny sampandraharahan’ny  firenena mikambana misahana ny sakafo (PAM) ity vondrona ity amin’ny fanampiana ireo traboina vokatry ny rivo-doza farany teo. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny  herinandron’ny  Eraopa, ankalazaina isan-taona ny «andro natokana ho an’ny tetikasa tohanan’ny Vondrona Eraopeanina».

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *