Mampiantrano ny lalao iadiana ny tompondakan’ireo klioba ao anatin’ny faritra faha-7 na “championnat des clubs de la Confédération africaine de volleyball (CAVB) zone 7”, andiany faha-28 i Madagasikara. Ekipa 30 avy amin’ny firenena dimy, manodidina ny Ranomasimbe Indiana (La Réunion, Maurice, Seychelles, Mayotte, Madagasikara) no hifanandrina amin’izany. Hanomboka ny 24 febroary 2024 ny lalao ary tsy hifarana raha tsy ny 2 martsa 2024. Lalao 14 isan’andro no atao ka tanterahina eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny lalao enina ary samy mampiantrano lalao efatra avy, isan’andro, ny kianja mitafo Ankatso sy Ankorondrano. Ho an’i Madagasikara, ekipa vavy sy lahy miisa 10 no mandray anjara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny taranja volleyball ity, toy ny Gendarmerie Nationale Volleyball (vavy sy lahy), Akany Sambatra Itaosy (vavy sy lahy), Stef’Auto, Club omnisport forces armées, Squad X-club, MAMA volleyball club, club volleyball Farafangana ary ny Association Sportive Akany Sambatra.
Mpanohana ofisialy ny lalao ny Airtel Madagascar. “Mbola latsa-danja ny taranja volleyball eto Madagasikara. Ho fanandratana ity taranja ity sy ho fanohanana ny mpilalao malagasy hahazo traikefa amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ho famoahazana ny ambom-pon’ny Malagasy hitia ny taranja volleyball no antony hanohanan’ny Airtel ny lalao.”, hoy i Ramiandrarivo Andriantsoa, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Airtel Madagascar, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, niarahana tamin’ny Federasiona Malagasy ny VolleyBall (FMVB) sy ny kaofederasiona Afrikana misahana ny Volleyball ao anatin’ny faritra faha-7 (CAVB Z7) ary ny ministera misahana ny fanatanjahantena. Tohana ho entin’ny orinasa mandritra ny lalao ny fanomezana connexion internet sy fahana hanamorana ny fikarakarana ny lalao sy ahafahan’ny mpikarakara sy ireo delegasiona avy any amin’ny nosy rahavavy misitraka ireo tolotra isan-karazany toy ny fikirakirana vola, internet, fividianana fahana…
Miavaka ny lalao iadiana ny tompondakan’ireo klioba ao anatin’ny faritra faha-7 atao eto Madagasikara. Fitaovana informatika avokoa no ampiasaina amin’ny fikirakirana ny voka-dalao. Teknisiana miisa 30, misehatra amin’ny tontolon’ny VolleyBall, ahitana mpitsara, mpanazatra, mpilalao, teknisianina eo anivon’ny academia nasionaly misahana ny fanatanjahantena (ANS) no nahazo fiofanana momba ny fampiasana » VolleyStation Pro ». Anisany nampiofana azy ireo tamin’izany, nandritra ny efatra andro i Castel Marc Rodney, Talen’ny Centre de Transfert de connaissance ny Zone 7. Nahazo fiofanana manokana ihany koa ireo mpitsara. Mairihina fa tsy nandefa ekipa handray anjara amin’ity lalao ity i Comores.
Ra-Nirina



