Socio-eco

Vokatry ny tantsaha: Hiakatra ny kianjan’ny MAKIS


Fotoan-dehibe ho an’ny tantsaha manerana ny faritra 22 ny FIER-MADA. Ho tanterahana ny 01 ka hatramin’ny 05 Aogositra 2018 eny amin’ny kianjan’ny MAKIS Andohatapenaka ny andiany faha-20 ny FIER-MADA. Vokatra maro isan-karazany no ho hita mandritra ny hetsika. Eo ireo vokatry ny tany, ny fitaovam-pamokarana, ny angovo azo havaozina azon’ny tantsaha ampiasaina eny ambanivohitra….« Hetsika ho fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fihaonan’ny tantsaha manerana ny Nosy sy ireo miara-miasa amin’izy ireo ka hifanankalozana entam-barotra, hevitra, haitao isan-karazany ny FIER-MADA », hoy ny filoha mpanorina ny hetsika, Jacques Ramanantsoa. Noho izany mampisy ny fiaraha-miasa ho fampivoarana ny toe-karena ary ny fiainan’ireo tantsaha eny ambanivohitra. Mahatsapa ireo tantsaha fa betsaka ny tombontsoa azo mandritra ny fifaneraserana amin’ireo mpanjifa ao anatin’ny hetsika toy ny fahaizany mivarotra ary indrindra ny fahitana lalam-barotra. Lasa mahay mivarotra izy ireo ka betsaka ny tombom-barotra amin’ny fahitana lalam-barotra vaovao. Misy amin’ireo tantsaha no mahazo “komandy” izay mahavita taona ary mihoatra noho izany aza. Mampitombo ny fananan’asa ary manala amin’ny fahantrana ny FIER-MADA, hoy ity filoha mpanorina ity. Eo ihany koa ny fifanakalozam-baovao isan-karazany amin’ireo mpandray anjara indrindra ny fanjifan’ireo tantsaha ny fitaovam-pamokarana ho fanatsarana ny vokatra. Tsy mitsahatra mitombo ireo mpandray anjara tao anatin’ny 10 taona farany satria miisa 400 ireo mpandray anjara amin’ity taona 2018 ity. Tsena-be fanoitra ho fampandrosoana ny firenena amin’ny lafiny rehetra ny FIER-MADA satria mampivelatra ny tantsaha sady efa matihanina. Nosafidiana manokana ny kianjan’ny MAKIS Andohatapenaka satria maro be ny mpandray anjara. Miavaka ity andiany ity, hozaraina mari-pakasitrahana ireo mpandray anjara rehetra.
Nomarihany fa mpitsidika 60.000 no handrasan’ny mpikarakara ho tonga mandritra io dimy andro hanaovana io hetsika io. 1500 Ariary kosa ny fidirana ho an’ny olon-dehibe na ankizy roa. Tsy hisy fidirana ny hetsika amin’ny andro voalohany, tapan’ny maraina.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *