Socio-eco

VOKA-PIKAROHANA : Sangany ny tetikasan’ny mpianatry ny ISPM


70 % ny mpiasa ao amin’ny orinasa mikirakira ny teknolojia NUMEN sy ETECH dia mpianatra avy ao amin’ny oniversite ISPM “Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar”. Tao aorian’ny varavarana misokatra nataon’ny oniversite ity dia nampiseho ny zava-bitan’ny mpianatra eny amin’ny “Hôtel Carlton” Anosy ireo mpianatra omaly sy anio 01 Aogositra 2018. Vokam-pikarohana 200 tsara indrindra amin’ireo 350 nandritra ny taona 2017 – 2018 no asehon’ny mpianatra amin’izany. Mpianatra taona voalohany ka hatramin’ny taona faha dimy izy ireo. “Hetsika iray ahafahana mampivelatra ny sain’ny mpianatra sy ny fampiharana ny fahalalana sy fahaizana azon’ireo fa indrindra hitarihana azy ireo sahady any amin’ny tontolon’ny asa ny hetsika tahaka itony”, hoy ny talen’ny Fitantanana sy ny Volan’ny ISPM, Aimée Razafindrahety. Afahan’ny mpianatra manatsara ny fahaizany ny fanaovany fikarohana. Mampiavaka ity oniversite ity sy ny mpianatra ao aminy ny fiezahana hanao tsara kokoa hatrany. Fisarihana ireo mpamatsy vola na orinasa hanampy ireo mpianatra amin’ny fanatanterahana ny voka-pikarohana nataon’izy ireo ihany koa izao fampiratiana ireo vokam-pikarohana izao. Mahaliana tokoa ny fikarohana nataon’ireo mpianatra. Samy manana ny zava-bitany izy ireo isaky ny lalam-piofanana misy azy avy. Nampiavaka ny hetsika tamin’ity ny fampiharana ny teknolojia vaovao. Anisan’izany ny fahavitan’ny mpianatra fiaramanidina kely azo baikoina lavitra. “Mahavariana ny fahaizan’ny mpianatra ny teknolojia izay tsy voafehy any amin’ny tany eropeana kanefa voafehin’ny mpianatry ny ISPM”. Marihana fa nanokatra ity hetsika ity ny tale jeneralin’ny orinasa NUMEN.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *