Socio-eco

Voka-pikarohana momba ny fiarovana ny tontolo iainana: Ho ampahafantarina ny daholobe


« Fikarohana manakaiky vahoaka ». Io no lohahevitra nosafidian’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES) hanamarihana ny andro manerantany ho an’ny tontolo iainana (Journée Mondiale de l’Environnement na JME), ankalazaina isaky ny 5 jona. Mikarakara hetsika mampifandray ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fanatanjahatena sy ny kolontsaina ny MESUPRES, amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny fanatanjahantena sy ny kolosntsaina miaraka amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD), ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny  tontolo iainana (AJE), ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA)  ary ny federasiona Malagasy Basketball, ny 05 sy ny 06 jona 2026, eo amin’ny lapan’ny tanàna Analakely.

Hetsika telo no hameno ny fandaharam-potoana mandritra ny roa andro:  velan-kevitra ara-tsiantifika momba ny fifandraisan’ny kolontsaina, ny fiarahamonina, ny olombelona ary ny tontolo iainana; ny velan-kevitra momba ny faritra arovana sy ny fampandrosoana lovainjafy; ny fampirantiana ireo voka-pikarohana momba ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy; ary ny fifaninanana ara-panatanjahatena (baskety 3X3) sy ara-kolontsaina (Fanorona).

Handray anjara amin’ny velan-kevitra ireo mpikaroka eto an-toerana sy avy any ivelany miara-miasa amin’i Madagasikara, araka ny fanazavan’i Dr Souleman Ibrahim Andriamandimby, Tale misahana ny fanatanjahantena sy kolontsaina eo anivon’ny MESUPRES, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny zoma 8 mey 2026, teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely.  Nambarany fa hanehoana ny zava-bitan’ny mpianatra sy ny mpikaroka eny amin’ny oniversite ary ny ivon-toeram-pikarohana ihany koa ity hetsika ity. Natao ho an’ny mpianatry ny oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana kosa ny fifaninanana ara-panantahantena baskety 3X3.

Ny fikarohana ara-tsiansa sy ny mpanao gazety

Tanjon’ity hetsika fankalazana ny andro manerantany ho an’ny tontolo iainana ity ny hanasongadinana ny vokatry ny fikarohana ara-tsiansa, hampanakaiky ny siansa amin’ny vahoaka, ary hampiroborobo ireo hetsika miaro sy manaja ny tontolo iainana, manodidina ny sehatra Siansa – Kolontsaina – Fanatanjahantena. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampitana ny vaovao momba ny fikarohana ara-tsiansa ny mpanao gazety ka anisany miara-miasa amin’ny fantanterahana ny hetsika « Fikarohana manakaiky vahoaka » ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira tontolo iainana (AJE).  « Mampita vaovao ara-tsiantifika amin’ny fomba tsotra sy ho azon’ny daholobe ny mpanao gazety.  Manala ny elanelana eo amin’ny mpikaroka sy daholobe », hoy i Njaka Andriantefiarinesy, Filohan’ny AJE.

Nanamafy i Jerison Ratsialainkery, tale misahana ny « éco-citoyenneté et intégration de la démarche du développement durable » eo anivon’ny MEDD fa zava-dehibe ny fampiharana voka-pikarohana  amin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ka izay no mahatonga ny ministeran’ny tontolo iainana mifampitantana amin’ity hetsika ity. Nambarany fa atao any Morondava, ny 13 sy 14 jona ny ivon’ny fankalazana ny JME. « Fiarovana ny zavamananaina, fanarenana ny tany, fandraisana andraikitra amin’ny lafiny toetrandro » no lohahevitra amin’izany, araka ny fanazavany hatrany. « Ho fampiroboroboana ny vahaolana eny ifotony mba ahafahana mampiakatra ny fahafahana miatrika ny amin’ny zavatra ho avy na amin’ny lafiny fiovan’ny toetrandro na amin’ny lafiny fampandrosoana no tanjona », hoy izy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *