Socio-eco

VIMA: Mihena tsy fandriam-pahalemana rehefa…


“Tombony ho an’i Madagasikara ny fahatongavan’ny filoham-pirenena Indiana teto Madagasikara”, hoy ny Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa Vision Madagascar (VIMA), Zouzar BOUKA. Nandritra ny fitsidihana nataony teto amin’ny firenena Malagasy, nikarakara fihaonana ho an’ny mpandraharaha ny masoivohon’ny Inde eto Madagasikara. Mpandraharaha ara-toekarena Malagasy miisa 200 sy mpandraharaha Indiana 150 nandray anjara tamin’ny fihaonana. Ho fanatsarana ny fifandraisan’ny firenena roa tonta amin’ny lafiny fampandrosoana ara-toekarena no tanjona tamin’ity fihaonana ity. Nisy ny fifanakalozana traikefa sy fitadiavana fiarahamiasa. Amin’ny maha mpandraharaha ara-toekarena miasa eo Madagasikara an’i Zouzar BOUKA, nanatrika io fihaonana natao teny amin’ny Carlton Anosy ny 16 martsa 2018 io ny tenany.
Fanambiny ny orinasa VIMA ny hitondra fampandrosoana maharitra eo ho an’ny toekarena Malagasy. Nambaran’ny Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa fa rehefa mipaka any amin’ny vahoaka ny fampandrosoana, mihena ny tsy fandriam-pahalemana.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *