Socio-eco

VIAVY FILM FESTIVAL: Miantso ireo vehivavy mpanoratra, mpanatontosa sy mpamokatra horonantsary handray anjara amin’ny fifaninanana


Sehatra lehibe mamorona asa, indrindra ho an’ny vehivavy ny  tontolon’ny horonantsary.  Namorona ny Viavy Film Festival (VFF) i Andriananantany Ony sy Andriamanantsoa Koloina, vehivavy  malagasy mpamokatra, mpilalao, mpanatontosa horonantsary ho fampahafantarana ireo karazan’asa ambadiky ny horonontsary sy ho famporisihina ireo  vehivavy hisehatra amin’izany. Ho tontosaina ny  15 sy ny 16 martsa 2024 eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka ny andiany voalohany amin’ny VFF. Voalohany eto Madagasikara no misy tahaka izao hanomezana sehatra ny vehivavy malagasy miasa amin’ny tontolon’ny horonantsary. Ao anatin’ny fandaharam-potoana mandritra ny roa andro ny famelabelaran-kevitra momba ireo karazan’asa amin’ny famokarana horonantsary  toy ny fanoratana, fanantontosana, famokarana horonantsary;  ny fifehezana ny sary, ny  fangalana sary (cadrage); ny voambolana ampiasaina amin’ny fanaovana horonantsary. Ankoatra  ireo atrikasa miisa enina ireo dia mikarakara fifaninanana horonantsary fohy ihany koa ny VFF. Natao ho an’ireo vehivavy nanoratra na nanatontosa na namokatra horonantsary iray minitra ka hatramin’ny 45 minitra ny fifaninanana.  Efa nisokatra ny  9 febroary ny fandefasana ny antontan-taratasy fandraisana anjara ary tsy hifarana izany raha tsy ny 3 martsa 2024. Mizara ho sokajy telo ny fifaninanana: “fiction, documentaire, animation”.  Ny andro faharoa amin’ny VFF no hizarana ny amboara ho an’ireo mpandresy.

Manohana ny Viavy Film Festival ny Canal+ Madagasikara ho fanamafisana ny fandraisana andraikitry ny orinasa amin’ny fanohanana ny vehivavy sy fiarovana ny zon’ny vehivavy. “Tao anatin’ny efa-taona dia namokatra horonantsary momba ny vehivavy sahirana izahay ho fanamarihana ny volan’ny vehivavy (volana martsa). Niova kely tamin’ity taona ity satria nisafidy hanohana ny VFF izahay satria mbola tsy be mpahafantatra ny tontolon’ny horonantsary kanefa marobe ny vehivavy manan-talenta misehatra amin’ny tontolon’ny horonantsary ka mila tohanana izy ireny. Amin’ny maha orinasa mpandefa “contenu” an’ny Canal+ dia manosika ireo mpamokatra avy eto an-toerana izahay satria mila vokatra marobe  avy eto an-toerana”, hoy i Razafindrakoto Onjatiana , Tale Jeneralin’ny Canal+ Madagasikara nanazava ny antony ny  fanohanan’ny orinasany ny VFF, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 9 febroary 2024. Anisany reny mpiahy ny hetsika ihany koa izy ho fanohanana ireo vehivavy sahy.  Marihina fa misokatra ho an’ny daholobe ary maimaimpoana ny hetsika tanterahina ny 15 sy 16 martsa 2024.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *