Socio-eco

VIAVY FILM FESTIVAL: Maimaim-poana ireo fiofanana momba ireo asa amin’ny sehatry ny sarimihetsika


Sehatra tokony hampidim-bola sy hampivoatra ny toekarena eto Madagasikara ny indostrian’ny sarimihetsika. Izany indrindra no nahatonga  an’i Andriananantany Ony sy  Andriamanantsoa, mpanatontosa, mpanoratra ary mpilalao horonantsary, namorona ny  Viavy Film Festival (VFF). Ho tontosaina ny 15 sy 16 martsa 2024, eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka ny hetsika. Ho resahana mandritra ny roa andro, ireo asa rehetra manodidina ny  tontolon’ny sarimihetsika sy ny anjara asan’ny vehivavy amin’izany. “Hisy ny adihevitra hiresahana ny indostrian’ny sarimihetsika eto Madagasikara, iarahana amin’ireo mpisehatra avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Hisy ihany koa ny atrikasa, miisa enina, hampiofanana  momba ny  fanoratana, fanatontosana, famokarana amin’ny sehatry ny horonantsary. Eo ihany koa ny fifehezana ny sary sy feo, ny fakana sary, ny fomba fiteny ampiasaina. Mpisehatra matihanina nianatra tany amin’ny sekoly momba sarimihetsika avy any ivelany no hizara ny traikefany momba izany, toa an’i Rajaonarivelo Felana. Hizara ny traikefany izy: ohatran’ny ahoana izany hoe mpamokatra sy mpanatontosa horonantsary izany rehefa vehivavy ”, hoy i Andriamanantsoa, mpanorina ny VFF, nandritra valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 01 martsa 2024, teny Andohatapenaka. Nanamafy i Andriananantany Ony, Tale sy mpanorina ny VFF  fa maimaim-poana ireo fiofanana ireo. “Tsy ho vita ao anatin’ny adiny roa ny fiofanana momba ireo asa amin’ny sehatry ny horonantsary fa ireo fototra tsy maintsy arahina no horesahana mandritra atrikasa.  Manentana antsika, mpisehatra sy mbola hisehatra ary maniry te hisehatra amin’ny tontolon’ny sarimehitsika  ho avy fa misokatra be ny lalana amin’io fotoana io satria hisy ny fampivondronana ireo mpisehatra sy fifampizarana traikefa ataon’ireo efa matihanina”, hoy izy.

Mikarakara fifaninanana ho an’ny vehivavy mpanoratra, mpanatontosa, mpamokatra  horonantsary ihany koa ny VFF. Noho ny fangatahan’ny besinimaro dia nohitarina hatramin’ny 8 martsa 2024 ny fandraisana ireo horonantsary nosoratana, notontosaina, na novokarina vehivavy. Horonantsary fohy, 1 ka hatramin’ny 45 minitra no takiana. Mizara telo ny sokajy ahafahana mandray anjara: sarimihetsika fanadihadiana, fiction, animation. Azo raisina ihany koa ireo horonantsary mbola an-dalam-pamoronana na an-dalam-pamokarana, araka ny fanazavan’i Rajaonarivelo Felana, anisany ireo mpitsara amin’ny fifaninanana. Manohana ity hetsika ity ny Canal+ Madagascar. “Mankalaza ny iray volan’ny vehivavy Canal+  isan-taona. Entina hanamarihana izany ny famokarana horonantsary momba ny vehivavy. Tamin’ity taona ity  dia nisafidy hanohana ny Viavy Film Festival izahay satria voalohany eto Madagasikara no nisy izany, vehivavy no namolavola ny tetikasa fa indrindra hanampy sy hampisehoana ny talentan’ireo vehivavy”, hoy i Razafindrakoto Onjatiana, Tale Jeneralin’ny Canal+ Madagascar. Nambarany fa tokony hanana ny lanjany ny indrostrian’ny sarimihetsika eto Madagasikara ary tokony hampiroborobo ny toekarena tahaka ny any Etazonia, Frantsa, Australie. “Tsy mbola miroborobo anefa izany eto amintsika ka ny hetsika tahaka izao no hampivoatra izany”, hoy izy. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Canal+ Impact ihany koa ny fanohanana ity hetsika ity. Ao anatin’ny tetikasa ny fanomezana fiofanana momba ny tontolon’ny horonantsary.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *