Socio-eco

VALANJAVABOAHARY MADAGASIKARANTSIKA AO AMPOTAKA : Maka endrika sarin-tanin’i Madagasikara


Voalohany eto amin’ny firenena Malagasy  ny fametrahana valanjavaboahary maka endrika sarin-tanin’i Madagasikara. Noho ny fiarahamiasa teo amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny Imperial Brands dia tafantsangana ny Parc Botanique ao Ampotaka, kaominina Mandoto, faritra Vakinankaratra.  Ny volana mey 2021 no natomboka ny asa ka ny Imperial Brands no mamatsy vola ny tetikasa. Nandray anjara tamin’ny  « Foire Internationale de Madagascar »  – FIM ny vondron’orinasa noho fananany an’ity tetikasa mikajy ny tontolo iainana. Nanararaotra nampahafantatra ny fandrosoan’ny asa ny solontenan’ny vondron’orinasa ny sabotsy 13 Mey 2023 teny amin’ny Forelle Expo Tanjombato.

Niteraka asa

Velarantany midadasika mirefy 120 ha no misy ny valanjavaboahary.  Nandritra ny roa taona nanaovana ny asa dia zanakazo 200.000 no voavoly,  namboarina ny lalana mampitohy ny RN34 sy ny parc, aroafo mirefy 22 km, vovon-drano miisa 4, toerana fanarahamaso mirefy 158 metatra toradroa , trano ho an’ny mpiambina, toerana famokarana zezika komposta miisa 8 no vita. Nitondra vokatsoa ho an’ny fokonolona manodidina ny fanamboarana ny valanjavaboahary satria nankinina tamin’ny Vondron’olona ifotony (VOI) ny ankamaroan’ny asa toy ny fambolen-kazo, ny famokarana zezika… Tokantrano 332 no mpikambana ao amin’ny VOI. Mitentina 200 tapitrisa Ariary ny fitambaran’ny vola niditra tamin’izy ireo, araka ny tatitra avy amin’ny Imperial Brands. «Tena mandroso ny  fametrahana ny valanjavaboahary ary  niteraka asa ho an’ny fokonolona. Natao ho tsidihan’ny Malagasy sy ny mpizahatany ny valanjavaboahary rehefa misokatra», hoy i Andriamaniraka Liva, Lehiben’ny tetikasa ao amin’ny Imperial Brands. Nambarany fa tafiditra ao anatin’ny paikady momba ny fandraisana andraikitra amin’ny fiarahamonina (RSE) ity tetikasa ity ary natao hanabeazana ny olona amin’ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana.

Fampidirana biby

Nilaza ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy (DREDD) Vakinankaratra fa karazana zanakazo miisa 40 no nampidirina tao amin’ny valanjavaboahary Madagasikarantsika toy ny zanakazo haingam-paniry (arongana) , fihinamboa(kily, voasary),  zanakazo zanatany (hazomena, baobab, kapoaka), zanakazo afaka angalana loha menaka (kininina olive, ravitsara, mandravasarotra)… «Azo heverina ny fampidirana biby ao amin’ny valanjavaboahary ao aoriana kely. Amin’izao fotoana izoa aza dia efa misy ireo biby hita ao noho ny fisian’ireo hazo», hoy izy. Valanjavaboahary miisa 5 no nifanarahan’ny Ministera sy ny Imperial Brands ho apetraka eto Madagasikara. Mbola miandry ny toerana omen’ny Ministera ny  hanamboarana ny valanjavaboahary 4 ambiny.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *