Socio-eco

VADINTANY SY MPANAO LAVANTY ETO MADAGASIKARA : Manohitra ny fihetsika rehetra fanohitohinana eo am-panatanterahana ny asany


Firenena tan-dàlana i Madagasikara. Manoloana ny herisetra nahazo an’i Maître RAZAFINDRAHASY Jonah Olivia teo am-panatanterahana ny asany dia nanameloka an’izany ny fikambanan’ny vadintany sy mpanao lavanty eto Madagasikara (Huissier de Justice et commissaires-Priseur de Madagascar) ny 17 May 2021 teny Ambohimanarina. Ity vadintany sy mpanao lavanty ity dia nanao ny asany an-tsakany sy an-davany araka ny voafaritry ny làlana kanefa dia tratry ny herisetra. Nisy ny fihantsiana, fikasian-tanana, fitazomana an-keriny ary tonga hatramin’ny fandrahonana ho faty, hoy ny filoham-boninahitry ny fikambanana, Maître Hery Andriatsimba. Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra rehetra isan’ambaratongany mba hijery akaiky izao toe-draharaha izao ary handray ny fepetra hentitra mifanaraka amin’izany izy ireo.

« Noho izany dia  toherinay ny fihetsika rehetra manohitohina ny fanatanterahanay ny asanay izay ataonay ao anatin’ny ara-dàlana. Anisan’izany ny herisetra sy vono. Tsy ekenay ny fampiasana ny anaran’ny mpitondra fanjakana na ny maha akaiky azy ao amin’ny fitondrana ka hanaovana ramatahora ny vadintany eo am-panatanterahana ny asany », hoy hatrany izy.

Ny vadintany dia manana andraikitra lehibe eo amin’ny fametrahana sy ny fanajana ny « tany tan-dàlana » ary ny asa izay am-pandraiketina azy. Raha ny nahazo ity vadintany iray izany dia nanosihosy tanteraka  ny fametrahana sy ny fanajana ny atao hoe « tany tan-dàlana », hoy izy.

Eo anatrehan’izany toe-javatra  izany dia handray ny fepetra rehetra mifanaraka amin’izany io vadintany niharan’ny herisetra io. Hanampy azy amin’izany Holafitry ny Vadintany sy Mpanao Lavanty eto Madagasikara mba ho fiarovana ny zony sy ny tombotsoany manokana. Eo ihany koa ireo vadintany rehetra manerana ny nosy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *