Mba tsy hampitombo ny takaitran’ilay niharan’ny herisetra. Mpanao gazety avy amin’ny haino vaky jery aman-tranokala miisa 20 avy eto Antananarivo no nahazo fiofanana avy amin’ny UNICEF momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy sy herisetra atao amin’ny ankizy. Ny 16 sy ny 17 novambra 2020 teny Antaninarenina no nanatanterahina izany. “Ny haino vaky jery aman-tranokala dia sehatra iray ahafahana mandefa vaovao sy mampita hafatra mba handraisana anjara amin’ny fanabeazana ny vahoaka Malagasy amin’ny lohahevitra tena ilaina toy ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy, ny herisetra atao amin’ny ankizy. Tafiditra ao anatin’ny sahan’asa momba ny hetsika 16 andro iadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy izay hanomboka ny 25 novambra ary hifarana ny 10 desambra 2020 ity fiofanana ity”, hoy ny mampiofana Rossella Albertini, manam-pahaizana manokana momba ny maha lahy sy maha vavy avy ao amin’ny UNICEF Madagasikara.
Nambarany fa nifanandrify tamin’ny tranga niseho matetika, herinandro lasa, tamin’ny haino vaky jery aman-tranokala momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy sy herisetra ara-nofo atao amin’ny ankizy ihany koa ity fampiofanana mpanao gazety ity. Noho izany, “tena ilaina ny fiofanana hampitàna ireo vaovao tokony alefa sy ampahafantarana ny fanararaotana ara-nofo atao amin’ny ankizy sy ny vehivavy ary koa ampahafantarana amin’ny vahoaka ireo ivon-toerana mandray an-tanana izany”, hoy izy. Nandritra ny fiofanana dia voalaza fa tomponandraikitra ny mpanao gazety satria mety hampitombo ny takaitra mahazo ilay niharan’ny herisetra indray ny lahatsoratra na fanadihadiana nataony. Ho fisorohana izany ihany koa no anisany zava-kendreny ny fiofanana nomen’ny UNICEF.
Lynda A.
Pingback: UNICEF: Ny tokony ataon’ny mpanao gazety manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy - ewa.mg