Socio-eco

ÛMMI MADAGASCAR: Manomboka ny sabotsy 25 aprily 2020 ny Ramadany


Tsy hita ny volana omaly alakamisy 23 aprily 2020 ka noho izany dia sabotsy 25 aprily 2020  ny voalohany ny volana masina Ramadany. Manoloana ity valanaretina coronavirus ity dia misy fiovana ny  fanao isan-taona, fiatrehana ny volana masina Ramadany, araka ny fanambarany nataon’ny filohan’ny ÛMMI Madagascar, Sheikh Rijaly. “Raha hatrizay nisy hetsika maro isan-karazany toy ny fiaraha-mivavaka, fampianarana, fanaovana asa sosialy, fiaraha-mivavaka amin’ny alina, fiaraha-misakafo dia hisy fiovana izany. Na dia eo aza ny nanome karazana ampahana fahafahana ny fitondram-panjakana, 15 andro fahatelo afaka mivorivory raha latsaky ny 50. Nohamafisin’i Sheikh Rijaly fa anisany tombony lehibe ho an’ity tsimokaretina ity ny fifangaroana ka noho izany dia vavaka isan-tokantrano hoy izy no atao fa andian’olona vitsivitsy, mety mifandimby no afaka manao fiaraha-mivavaka rehefa tsy maintsy atao izany.

Miarahaba ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka ny tratran’izao asaramanitra izao ny tenany ary “mirary ramadany sambatra ho antsika rehetra ary enga anie samy ho tahian’i Tsitoha, samy hahavita ny adidintsika antsakany sy andavany mandritra izany volana masina ramadany izany ary mirary ho an’ny firenentsika hivoaka mpandresy amin’ny valanaretina COVID 19”.

Nirina R.


One comment on “ÛMMI MADAGASCAR: Manomboka ny sabotsy 25 aprily 2020 ny Ramadany

  1. Pingback: ÛMMI MADAGASCAR: Manomboka ny sabotsy 25 aprily 2020 ny Ramadany - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *