Socio-eco

TURQUIE/MADAGASIKARA: Teraka ny fiarahamiasa amin’ny samy mpandraharaha.


Fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny firenena Turc sy Malagasy, nomena vahana ny fitadiavam-piarahamiasa amin’ny samy mpandraharaha. Mpandraharaha Malagasy sy tompona orinasa eto Madagasikara miisa 400 sy mpiantsehatra amin’ny lafiny ekonomika turc 140 no nifampizara traikefa momban’ny fampandrosoana ny toe-karena. Teraka tao anatin’izany ny fiarahana miasan’ny roa tonta.
Ho an-dry zareo Turquie, mbola malalaka ny tsenan’ny ny akora biolojika toy zezika. Vokatry ny fitsidihana nataon’ireo mpandraharaha avy any, atsy ho atsy dia hanondrana zezika biolojika any Turquie i Madagasikara. Hahazo tombony indray ny orinasa eto an-toerana mpamokatra azy ity.
Ankoatra izany, nambarany ny solontenan’ny delegasiona Turc fa manana harena voajanahary tsy tambo isaina i Madagasikara. “Azo trandrahina tsara izany amin’ny alalan’ny fahaiza-manao hanananay sy ny fiaraha miasa amin’ny fanjakana Malagasy fa indrindra ireo orinasa Malagasy”,hoy izy.
Notontosaina omaly teny amin’ny CCI Ivato ny fifanakalozana amin’ny raharaha ara-barotra eo amin’ny Turquie sy i Madagasikara. Tonga nanatrika izany ny Filoha Erdogan Recep Tayyip sy i Hery RAJAONARIMAMPIANINA niaraka tamin’ireo delegasiona vahiny sy ny mpandraharaha Malagasy sy tompona orinasa toy ny Filoha Tale Jeneralin’ny VIMA (Vision Madagascar), Zouzar BOUKA.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *