Socio-eco

TSY FAHAMPIAN’NY « FER »: Miteraka voka-dratsy ho an’ny ankizy


Singampamelona ny vatana ny « fer » na « vy ».  Zava-doza anefa no hitranga raha toa ka tsy ampy ny tahan’io “fer” io, indrindra ho an’ny zaza sy ny ankizy. Rera-dava, tsy mifantoka, hatsatra, fahataran’ny fitomboana, fikorontanan’ny atidoha, sempotra, haingana be ny fitempon’ny fo, aretin’andoha no fomba fisehoany.  Anisany mahatonga ny tsy fahampian’ny “fer” ny  kankana satria mitroka rà, hoy ny tompondraikitry ny Action Contre la Faim (ACF). Eo ihany koa ny aretin’ny rà, ny fadim-bolan’ny vehivavy satria manary rà amin’io fotoana io. Rehefa  karazana fahaverezan-drà hoy Rakotoarilalao Ravo dia mampilatsaka ny tahan’ny rà ao anatin’ny vatana. Fototra iray mahatonga ny  tsy fahampian’ny  “fer” ihany koa ny tsy fihinanana sakafo be “vy” toy ny trondro, hena, anana maitso antitra, voamaina isan-karazany.

Ho fanohizana ny asa efa natomboka dia nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany 8 jolay 2019, teny amin’ny EPP 67 ha Avaratra Atsinanana  ny fanampiana amin’ny lafiny otrikaina ilain’ny vatana sy fampiofanana ny tanora eny anivon’ny fiarahamonina sy ny sekoly momba ny otrikaina. Ny ACF, eto Madagasikara no misahana ny fandaharan’asa ary ny “The Waterloo Foundation” no manohana ara-bola. Ny fizarana pilifera ho an’ny mpianatra no nisantarana izany ho fisorohana ny voka-dratsy ateraky ny tsy fahampian’ny “fer”.  Mpianatra 6269 avy amin’ny EPP fito no hahazo tombontsoa. Avy ao amin’ny EPP 67 ha Avaratra Atsinanana ny 929 amin’izy ireo. Hozaraina pilifera in-droa isankerinandro mandritra enina herinandro ireto mpahazo tombontsoa ireto rehefa avy misakafo, hoy hatrany Rakotoarilalao Ravo. Hiadiana amin’ny antony fototra mahatonga ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny hisorohana  voka-dratsy ateraky izany no tanjon’ity tetikasa ity.

Nirina R.


One comment on “TSY FAHAMPIAN’NY « FER »: Miteraka voka-dratsy ho an’ny ankizy

  1. Pingback: TSY FAHAMPIAN’NY « FER »: Miteraka voka-dratsy ho an’ny ankizy - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *