De-Lire

TSY AFAKA AM-BAVAN’NY OLONA NY FAKO !


Mampiteny ny moana mihitsy ny fako eto Andrenivohitr’ i Madagasikara. Teny voalohany avoakan’izy ireo ankehitriny ny hoe : « maimbo ». Tsy afaka am-bavan’ny olona ny fako manerana ny tanana azo lazaina mihitsy aza fa efa an-tenda kely. Mahazo hery vaovao indray ireo voalavo noho ireo fisian’ny fako misavovona ary tsy mahagaga raha hisy ny aretina entin’izany. Niteny ny prefektioran’Antananarivo fa tsy mahazo alalana hanao filaharana ny vondron’ny mpitaky ny « iles eparses » rahampitso fa manelingelina ny vahoaka. Fa ny fako ve izany tsy manelingelina ny vahoaka ? Azo antoka ihany koa fa ho voaroakan’ny EMMOFAR ny mpitarika ny hetsika sy ireo olona vitsivitsy misisika hanao ny hetsika na tsy mahazo alalana aza. Fa maninona raha ampiasaina ny fitaovan’ny mpitandro filaminana rahampitso sy ireo miaramila mba handroaka ny fako sa natokana handroaka olona mpanao fihetsiketsehana fotsiny ihany.

Ny eny an-dapa anio hifampiarahaba noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2016. Ihinana sy hisotro eo an-databatra fotsy madio mangatsakatsaka.Izany tokoa no tonga amin’ny fitenenana hoe : mihaingo ao anatin’ny tsikoko, ny fako manerana ny tanana fa ny tena misakafo ao anatin’ny fahadiovana. Tsy lazaina intsony ny manohitra izany fanasana ataon’ny filohan’ny repoblika izany izay hanao hetsika ihany koa etsy Antaninarenina anio.

Raha amin’izao andro izao no teraka indray i Jesoa Kristy izay manana ny toetra manetry tena dia azo antoka fa eny amin’ny fako izy no teraka fa tsy any antran’omby. Efa voasakan’ny fako mihitsy ny vavahady hidirana any amin’ny fanjakan’ny lanitra ka mampieritreritra.

Azo lazaina noho izany rehetra izany fa famonoana ankolaka ny vahoaka ny ataon’ny tomponandraikitra isan-karazany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *