Socio-eco

TSENABEN’NY VATOSOA SY NY FIRAVAKA: Hisarika ny mason’izao tontolo izao


Nanasa ireo mpandraharaha momba ny vatosoa sy firavaka avy any ivelany ny mpikarakara ny “tsenabe iraisam-pirenena momba ny vatosoa sy ny firavaka eto Madagasikara”. Mpivarotra sy mpividy vatosoa sy firavaka miisa 2.500 noho izany no handrasana hitsidika ity andiany voalohany ity ny 23 ka hatramin’ny 27 oktobra 2018 eny amin’ny Mining Business Center, Mamory Ivato. Mifandrimbona amin’ny fikarakarana ny hetsika ny ministeran’ny harena an-kibon-tany sy ny solika, ny ivon-toeram-piofanana momba ny vatosoa eto Madagasikara (IGM) ary ny BCMM (Bureau de cadastre minier de Madagascar).
Nambaran’ny tale jeneralin’ny ministeran’ny harena an-kibon’ny tany, Eric Rakotoson fa anisany mpamokatra vatosoa lehibe i Madagasikara. 60 % ny safira miodina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena dia avy eto Madagasikara avokoa. Ankoatra ny varotra fampirantiana dia hisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra momba ny vatosoa ary ireo hizara ny traikefany amin’izany ireo manam-pahaizana avy ivelany. Hotolorana mandritra ny “tsenabe iraisam-pirenena momba ny vatosoa sy ny firavaka eto Madagasikara” ihany koa ny loka ho an’ireo sangany tamin’ny fifaninanana fandidiana vatosoa. Ho fampahafantarana an’izao tontolo izao ny karazana vatosoa misy eto Madagasikara sy fitadiavana lalam-barotra ho an’ny mpandraharaha Malagasy ary fanamorana ny dingana ara-panjakana arahina momba ny fividianana na fivarotana vatosoa no tanjon’ny hetsika. Mpandray anjara 40 hampiranty ireo karazana vatosoa eto Madagasikara. Manentana ny mpandray anjara hampiranty ireo vatosoa tsara kalitao, vatosoa efa voadidy na “taillé” ny tale jeneralin’ny IGM, Andrianirina Rasolonjatovo mba hisarihana ireo mpitsidika.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *