Socio-eco

TONGAHASINA NJARINAMEHO SIDONIE: “Hiafara amin’ny rà mandriaka ny fifidianana”


“Aleo hahemotra ny fifidianana”, hoy i Tongahasina Njarinameho Sidonie na Ninie. Raha heverina fa hitondra fitoniana ho an’i Madagasikara ny firosoana amin’ny fifidianana filohampirenena dia mifanohitra amin’izany no hitranga. Ny kandida Andry Rajoelina, Marc Ravalomanana ary Hery Rajaonarimampianina no ho fototry ny korontana. Samy tsy hisy hanaiky ireo kandida ireo raha tsy lany filohampirenena satria mihevitra fa samy nahavory olona maro be nandritra ny fihetsiketsehana nataon’izy ireo. Nambaran’i Ninie fa ny famerenana ny hasina sy ny fomba tany no vahaolana tokony hirosoana.

Iraka

Nanomboka tamin’ny fahakeliny i Tongahasina Njarinameho Sidonie na Ninie no nanana fanomezam-pahasoavana. Mahare feo sy mahazo hafatra avy amin’ny “fanahy” foana izy. “Asainy io fanahy io mamita iraka foana aho ary rehefa tsy manatanteraka dia mandraiky marary sy tsy manjary avokoa ny zavatra rehetra ataoko”. Nisy fotoana nasaina nametra-tanana zaza efa maty i Ninie. Tsy notanterahiny izany satria matahotra izy fa olona tsy olona tsy fantany. “Nangidihidy tsy nijanona ny tanako, nifona aho izay vao afaka izany. Raha nanao izany aho dia mety nitsangana tamin’ny maty io zaza io”.
Rehefa mikasika rano izy no tena miteny aminy ilay “fanahy”. Iraka nasain’ilay feo miresaka aminy nataony izao ny fanavotana ny “village touristique” ao Mahajanga. Tsy nipoitra mihitsy ny tora-pasika tao amin’ny “village touristique”. Efa nampihatra ny fahaizany rehetra ny orinasa nahazo ny tolo-bidy nanamboarana ny tora-pasika saingy ny vola fotsiny no lany. Ny taona 2006, niteny tamin’i Ninie ilay feo fa mila havotana ny “village touristique”. Araka ny fitantarany dia nambarany ilay feo taminy avokoa ny fomba rehetra atao. Rehefa nidina teny amin’ny “village touristique” izy dia nisy omby nivoaka avy tao amin’ny ranomasina. Vehivavy mahia kely no nasain’ilay fanahy nandatsaka ny ainy ilay omby. Tsy sarotra no nahitana io vehivavy io. Ny fahavitan’ny joro no ela dia nipoitra ny tora-pasika tao amin’ny “village touristique”.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *