Socio-eco

TOKOTANY BE: Mampiranty ireo sahan’asa ataony momba ny fampiroboroboana ny boky sy vaky boky ny Orange Madagascar


Hetsika lehibe ho fampahafantarana orinasa ara-kolontsaina sy famoronana ny “Tokotany be”. Nisokatra nanomboka ny alakamisy 18 aprily 2024 ary hifarana ny sabotsy 20 aprily 2024, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ity hetsika karakarain’ny tranom-bokim-pirenena ity. Mampivondrona  amin’ny toerana iray ireo mpisehatra amin’ny indostria ara-kolontsaina ny “Tokotany be” sady mampahafantatra ny besinimaro fa mahavelona sy malalaka ny mandraharaha amin’ny sehatry ny kolontsaina. Ahitana trano heva mampiranty momba ny boky, ny kanto hita maso, ny mozika, ny lamaody ary  sarimihetsika mandritra ny telo andro. Mandray anjara amin’ny fampirantiana, eny amin’ny trano heva natokana ho an’ny boky ny Orange Madagascar. Ny sahan’asany momba ny fampiroboroboana ny boky sy ny vaky boky, tanterahan’ny fikambanana Orange Solidarité de Madagascar no ampahafantariny amin’izany. Miaraka manao fampirantiana amin’ny fikambanana i Rabary Hary, mpanoratra malagasy voasafidy ho isan’ireo mpandray anjara amin’ny  dingana famaranana amin’ny fifaninanana “Prix Orange du livre en Afrique 2024”. Afaka mitafa mivantana amin’ny mpitsidika izy. Ny boky  nosoratany mitondra ny lohateny “Zakoa”, navoakan’ny trano mpanonta boky  Dodo vole  no entiny mifaninana. Mpitsabo “gynécologue” i Rabary Hary ary tantara foronina  voalohany nosoratany i Zakoa. Dikany ny teny “Meetoo” amin’ny teny malagasy ny sangan’asany ary mitantara amin’ny alalan’ny taratasy lavabe ilay mpanolana , ny ady natrehan’ilay tovovavy mpianatra lasibatry ny fanolanana nefa nanana finiavana hitraka sy nandà hibaby henatra. Mpanoratra afrikana miisa efatra no mifaninana miaraka aminy. Ny volana 2024 no ho fantatra ny mpandresy amin’ny fifaninanana andiany fahaenina, handimby ny toeran’i Rakotoson Michèle, mpanoratra malagasy nandrombaka ny amboara ny taona 2023.

Manamora ny fahazoana boky

Sahan’asa iray ao anatin’ny tetikasa tanterahin’ny Orange amin’ny sehatry ny kolontsaina ny fampiroboroboana ny boky. Anisany mampiroborobo ny fanabeazana ny tanora sy ny ankizy ihany koa ny vaky boky ka mandray anjara amin’ny fanohanana izany ihany koa ny orinasa. Nandritra ny taona maro, nanome tosika ho an’ireo mpanoratra tanora, nampiroborobo ny literatiora tamin’ny alalan’ny fanamorana ny fahazoana boky ny Orange, tamin’ny alalan’ny fikambanana Orange Solidarité. Tao anatin’ny hetsika fampiroboroboana ny vaky nataon’ny fikambanana ihany koa ny hetsika fanentanana “Ndao hamaky boky”, niarahana tamin’ny tranom-bokim-pirenena. Mampihaona ny mpanoratra sy ny mpamaky no atao amin’izany ka  ireo mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana, any ambanivohitra, toy ny any amin’ireo Village Orange no hanaovana fanentanana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *