Socio-eco

TOERAM-PIALAMBOLY “MILALAOO”: Tsy fahita any an-kafa


Mitovy lenta amin’ny toerana fialana voly any ivelany ireny ny ao amin’ny “Milalaoo”. Raha eto Madagasikara, karazana kilalao mihoatra ny 25 tsy fahita any an-kafa azo lalaovina ao. Misy ny kilalao ao anaty trano toy ny “outrun racing”, “motor game”, “basket ball game, mini basket ball, game, hunting zone… Ankoatra ireo, misy ihany koa ny kilalao eny an-tokontany toy “swing” (chaise volante), “jumping frog”, “pendulum”, “bumblebee car” (voiture Ferrari)… Natao ho an’ny mpianakavy ny toeram-pialàna voly “Milalaoo”. Nambaran’ny tomponandraikitra, Valérie Rasoamanana fa tsy ny ankizy ihany no afaka milalao ao fa misy ihany koa ny kilalao natao ho an’ny olon-dehibe te hanala sorisory, te hiala voly.
Tsy voatery mandeha lavitra vao mahita toeram-pialamboly. Eo anoloan’ny “centre commercial Akoor Digue”, Andohatapenaka no ahitana ny “Milalaoo”. Nanamafy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Akoor, Valérie Rasoamanana nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety, omaly 29 novambra 2018 fa ovaina isaky ny enim-bolana ny kilalao arakaraky ny fankafizan’ny mpitsidika. Manomboka amin’ny 2000 Ariary ka hatramin’ny 20.000 Ariary ny sarany kilalao ao amin’ny “Milalaoo”. Amin’ny alalan’ny “carte” avokoa no ahafahana milalao. Raha ny fanampim-panazavana nomen’ny tomponandraikitry ny serasera an’ny Akoor, Josceline Andriamiarintsoa, hisokatra ny 5 desambra 2018 ny toeram-pilalaovana ary ny 7 desambra 2018 kosa ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy.

Lynda A.

Horonan-tsary


One comment on “TOERAM-PIALAMBOLY “MILALAOO”: Tsy fahita any an-kafa

  1. Pingback: TOERAM-PIALAMBOLY “MILALAOO”: Tsy fahita any an-kafa - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *