Socio-eco

TILY ETO MADAGASIKARA: Nivoaka ny « kesika » fanabeazana


Ny tsingerin-taona nahaterahan’i Baden Powell, namorona ny skotisima no fotoana nanoloran’ny foibe tily eto Madagasikara ny  fitaovana vaovao ho entin’ny filoha  isam-paritany sy ny mpiandraikitra manabe. Nozaraina tamin’io 22 febroary 2019 io ny tohana « kesika » ka tonga naka izany teny amin’ny foibe FJKM Analakely  ireo solontena avy amin’ny faritany 28 misy ny tily. Nambaran’ny tonia ny fanabeazana, Hankana Mahasaky  fa fomba fanabeazana vaovao amin’ny tily ny hoe miantraika amin’ny fiarahamonina ka manomboka izao dia miezaka hampisy fiantraikan’ny fanabeazana eny amin’ny fiarahamonina amin’ny lafiny rehetra, ao anatin’izany ny fanabeazana amin’ny maha olom-pirenena, ny fandraisana anjara amin’ny tanjona ho an’ny fampandrosoana maharitra (ODD) , ny rano fidiovana sy fahadiovana, ny fambolena sy ny fiompiana. Ao anatin’ny fandaharan’asan’ny fanabeazana tily avokoa izany rehetra izany. Izany indrindra no antony namoahana ny kesika fanabeazana, fitaovana omena ny mpiandraikitra ahafahan’izy ireo manatsara ny fandaharana fanabeazana any amin’ny misy azy ireo avy ary hahatrarana izany tanjona izany, hoy hatrany ny tonia ny fanabeazana.

Ho fanamafisana ny fototra nanorenan’i Baden Powell ny skotisima  sy ny fanarahana ny vanim-potoana ankehitriny mba ho fandaharana manintona ny tanora  ihany koa no tanjon’ity  kesika na tondro zotra ity. « Misy ny tondro zotra iraisam-pirenena ka ezahina ny mampifanaraka azy io amin’ny fanabeazana tily eto Madagasikara, manaraka ny filan’ny tanora, ny fiangonana ary ny firenena fa indrindra mahasarika ny tanora », hoy ny filohan’ny fanabeazana tily, Kalia Miaritra. Fikambanana manabe ny tanora ho vavolombelon’i Kristy, ho olom-pirenena vanona ary ho an’ny fiarahamonina sy ny firenena ny Tily eto Madagasikara. Beazina avokoa ny ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy, ara-pihetseham-po. Marihina fa anisany fikambanana lehibe indrindra manerantany ny skotisima satria ahitana tanora miisa zato tapitrisa.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *