Socio-eco

THE VOICE AFRICA: Afaka jeren’ny daholobe manomboka ny 26 martsa 2023


Nanao fanambarana ny Airtel Africa fa hanomboka ny 26 martsa 2023 ny fandaharana andrasan’ny maro:  « The Voice Africa ». Amin’ny maha mpanohana ofisialy ny Airtel Africa dia miara-miasa amin’ny FAME STudios Africa ny orinasa amin’ny fandefasana ny fifaninanana  amin’ny televiziona sy Airtel TV. Kandida miisa 78.804  avy amin’ny firenena afrikanina toa an’i Nigéria, Kenya, Seychelles, Tchad, Ouganda, Congo, Zambie,Tanzanie, Rwanda, Gabon, Malawi, République Démocratique du Congo ary i Madagasikara no nisoratra anarana tamin’ity fifaninanana mihira ity. Mpanan-talenta 12.308 no voasafidy hiatrika ny fihainoana (audition). Mpifaninana miisa 100, fito(7)  isakin’ny firenena no hiatrika ny fampisehoana an-tsehatra mivantana any Lagos Nigéria.

Tahaka dingana amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena no hitranga amin’ny The Voice  Africa. Hiatomboka amin’ny « audition à l’aveugle », « batlles », K.O, fifanintsanana ary hifarana amin’ny fampisehoana mivantana. Mandritra 25 herinandro ny fifaninanana ary hisy ny fandaharana mandeha isan-kerinandro. Ho atokana handefasana « audition à l’aveugle » ny fandaharana voalohany ka hisafidianana  tanteraka ireo feo manan-talenta fa tsy endrika. Mahatoky ny talentan’ny tanora afrikanina ny Airtel Africa ary nanohana hatrany fa ny tanora no  mpitarika atsy ho atsy, tsy ho an’ny kaontinanta ihany fa ho an’izao tontolo izao. Nanokana famatsiambola mihitsy ny orinasa ho fanohanana ny talentan’ny tanora, ny fanabeazana, fanatanjahantena…Ny taona 2021, nanao fanambarana ny orinasa fa hanokana vola 57 tapitrisa dolara ho an’ny sehatrin’ny fanabeazana ary hiara-hiasa amin’ny UNICEF amin’ny fampisitrahana ny zaza afrikanina ny fanabeazana nomerika.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *