Socio-eco

TETIKASA LAMINA : Tombony ho an’ny manana olana ara-pivezivezena


Mbola hitohy ny tetikasa fanampiana ireo olona tra-pahasembanana sy ireo manana olana ara-pivezivezena. « Na dia tapitra aza ny tetikasa Lalan-jotra Miaty ny Namana (LAMINA) izay iantsorohan’ny ONG Lalana, hiara-hiasa amin’ny fikambanan’ny olona sembana izahay hanohizana ny fitsinjovana ireo sembana sy manana olana ara-pivezivezena amin’ny fampiasana ny fitateram-bahoaka », hoy ny mpandrindra ny tetikasa, Nathalie RASAMISON, nandritra ny famaranana ny tetikasa tamin’ny fomba ofisialy ny 25 janoary 2018.
Roa taona ny faharetan’ny tetikasa LAMINA. Niompana tamin’ny fampatsahivana ny tomponandraikitra sy ny manam-pahefana ny andraikitra tokony ataon’izy ireo amin’ny olona tra-pahasembanana amin’ny fampiasana ny taksibe ny tetikasa. « Manana andraikitra hanampy azy ireo ny mpamily sy mpanampy mpamily ary ny polisy ny fifamoivozana », hoy ny mpandrindra ny tetikasa. Ho fanamorana ny fandraisan’ireo jamba taksibe, nametrahana takelaka misy fanairana ny toeram-piantsonan’ny fitateram-bahoaka. Misy ihany koa fametrahana tohatra manokana nomena an’ireo taksibe miasa eto an-drenivohitra sy ambanivohitra. Nisitraka io asa tarika io ny zotra mampitohy an’i 67 Ha sy Ankatso, Antananarivo renivohitra sy Fenoarivo.
Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *