Socio-eco

TETIKASA F4F: Mikendry ny fanatsarana ny tontolo iainana


Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 26 may 2023 tao Antsiranana ny seraseran’ny tetikasa Forests 4Futur (F4F). Mpanao gazety miisa 17 no nanantevim-pahalalana ho fanatsarana ny tontolo iainana, ny zavaboahary ary ny fandrakofana ala nataon’ny mpiandraikitra ny Justdiggit nandritra ny telo andro. 12 avy amin’ny faritra Diana ary 5 avy eto Antananarivo. Izy ireo ihany koa no misalotra ny andraikitra ho masoivohon’ny tontolo iainana.  Hitatra tsikelikely amin’ny mpiasan’ny haino aman-jery maro izany, indrindra eto Andrenivohitra. Nizara ny traikefany ho amin’izany fankafizana ny seraseran’ny tontolo iainana izany ny teknisianina eo anivon’ny tetikasa F4F.  Ankoatra izany dia nizara ny fahaizamanaony sy ny fampalalam-baovaony ihany koa ny tomponandraikitra eo anivon’ny Ministera mpiahy. “Afaka mifanakalo vaovao sy manovo ao amin’ny tranokala ary ny pejin’ny Ministera isika mpanao gazety rehetra.” Hoy Luciano Razafimahefa, Talen’ny seraseran’ny Ministera an’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy.

Tamin’ny lanonam-panokafana ny atrikasa, ny talata 24 may 2023 no nanisy nitenenan’ny manampahefana any an-toerana fa miha ritra ny rano ao amin’ny faritra Diana, indrindra eo Antsiranana. Tamin’ny volana marsa no mba nisy orana kely nandalo, ankoatra ny rivodoza tao Antsiranana. Noho izany ritra ireo loharano, karakaina ny tany ary nandamoaka ny vokatr’ireo tantsaha nanomboka taona vitsy lasa izay.  “Ripaka ho amin’ny arina fandrehitra ny ala, noho ny filana eo andrenivohitra sy noho ny tsy fananan’ny tantsaha fidiram-bola. Tsikaritra miha ritra hatrany ny rano. Mahazo vahana ny filaharan’ny bidao mavo amin’ny fanovozana rano fisotro madio, izay tsy fahita teo amin’ny tantara.” Hoy i Horace Patrice, Sekretera Jeneralin’ny Kaominina Renivohitra Antsiranana.

Anisan’ny misitraka ny tetikasa ireo vondron’olona ifotony na VOI ao amin’ny Distrikan’Antsiranana faha-II. “Mananika ny velarantany 60 hektara no tohanan’ny GIZ amin’ity tetikasa F4F ity eto amin’ny faritra misy anay. Fambolena vary an-tanety, voaanjo, hazo no tena ilofosanay. Mahatsapa tombotsoa izahay amin’ny fivelomana sy ny fidiram-bola amin’izao tetikasa izao.” Hoy i Augustin, Filohan’ny Vondron’olona Ifotony ao Sadjoavato. “Sady aro afo, ireo voly avotra no sady mampidi-bola no fanarenana ny tontolo iainana. Raha tsara ny vokatra ka mahatratra amin-taoniny maro, any Antananarivo no amidy ireto voaanjo izay matoy afaka iray volana ireto.” Araka ny fanambaran’ny Ben’ny Tanana Anketrikabe, Ruphin Georges.

Fanirian’ny tomponandraikitry ny tetikasa F4F ny hitaran’izany tsikelikely amin’ireo faritra maro. “Ankoatra ny asa mahatarika any amin’ireo tantsaha, ianareo mpanao gazety no mpanentana, mpanabe, mpampita vaovao ho amin’ny fanatsarana hatrany ny tontolo iainana.” Hoy i Philippe Bamigbade, lehiben’ny Tetikasa F4F Madagascar. Marihina fa hatramin’ny taona 2026 ny tetikasa F4F izay tohanan’ny GIZ,  ka ny Faritra Boeny sy Diana no sehatra isany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *