Ao anatin’ny dingana fanavaozam-pirenena i Madagasikara amin’izao fotoana izao, izay hahitana fikaonan-doham-pirenena hotanterahin’ny fanjakana amin’ny volana jona na jolay 2026. Manoloana izany, dia mikarakara fikaonan-doham-pirenena manokana ihany koa ny fiarahamonim-pirenena misehatra amin’ny fananan-tany izay tarihin’ny SIF ( Sehatra Iombonan’ny ho an’ny Fananan-tany ), entina handrafetana sy hanolorana soso-kevitra ho an’ny fanjakana. Atao ny alatsinainy 27 sy talata 28 aprily 2026 eny amin’ny Panorama, Andrainarivo. Hisy ihany koa ny trano eva amin’io fotoana io ho an’izay te ahafantatra ny momba ny resaka fananan-tany sy ny manodidina an’izany.
« Ny tanjona amin’ity hetsika ity dia ny hampitovy fomba fijery eo amin’ireo fikambanana samihafa momba ny rafitra sy ny politikam-pananantany. Hodinihina amin’izany ny endrika fitantanana ny tany tokony hapetraka eto Madagasikara. Mandritra ny fikaonan-doha dia hiezaka ny hamoaka vahaolana sy tolo-kevitra mazava ireo mpandray anjara, izay hoentina handraisana anjara amin’ny fanavaozam-pirenena », hoy i Soavinalahatra Nasolo Harijery, mpandrindra nasionalin’ny SIF.
Nohamafisiny fa tsy mifaninanana amin’ny asan’ny fanjakana na ny ministera velively ity hetsika ity, fa kosa fiaraha-miasa mifameno. Ny hevitra hivoaka mandritra ny fikaonan-doha dia natao hanohanana sy hanampiana ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fanavaozana ny rafitra fitantanana ny tany.
Araka ny nambarany, raharaha iombonana ny fananan-tany ary mitaky fandraisan’andraikitra avy amin’ny rehetra. Anisan’ny mpisehatra lehibe amin’izany ny fiarahamonim-pirenena, izay mitondra ny anjara birikiny amin’izao dingana fanavaozana izao. Tsiahivina fa isaky ny misy fiovan’ny fitondrana dia misy hatrany ny fiantraikany amin’ny fitantanana ny tany, ka antony iray mahatonga ny fanavaozana ho laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao.
Ny tanjona lehibe apetraka dia ny hahafahan’ny Malagasy rehetra misitraka tany, indrindra ireo tantsaha mpamokatra izay tena miankina amin’izany.
Lohahevitra dimy lehibe no ho dinihina mandritra ity fikaonan-doham-pirenena ity, dia ny : fahafahana mahazo tany, ny disadisa sy olana momba ny fananan-tany, ny zon’ny fokonolona amin’ny tany, ny fampiasana tany sy ny famatsiam-bola, ary ny fifandraisan’ny fananan-tany amin’ny tontolo iainana.
Momba ny mpandray anjara, dia ny fiarahamonim-pirenena no tena kendrena, ahitana fikambanana tsy miankina sy solontenan’ny fanjakana ary tompon’andraiki-panjakana hanatrika sy hanokatra ny hetsika. Hisy ihany koa ny solontena isam-paritra voaasa manokana.
Nomena lanja manokana ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena tsotra. Efa nisy sahady ny fanangonana hevitra tamin’ny alalan’ny aterineto, ka notsoahina avy amin’izany ny hevitra fototra. Ireo hevitra voaangona ireo no hotohizana sy hodinihina mandritra ny fikaonan-doham-pirenena, ary hatolotra amin’ny fanjakana amin’ny fotoana hanaovana ny fikaonan-doham-pirenena ofisialy amin’ny volana jona na jolay ho avy izao.
Ra-Nirina



