Socio-eco

FANANAN-TANY: Fikaonan-doha nasionaly, mitady vahaolana maharitra ho an’ny Malagasy


Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 27 aprily 2026 ny fikaonan-doham-pirenena nokarakarain’ny ny fiarahamonim-pirenena misehatra amin’ny fananan-tany izay tarihin’ny SIF ( Sehatra Iombonan’ny ho an’ny Fananan-tany ). Mandritran’ny roa andro ny hetsika.  Olana goavana ny raharahan-tany eto Madagasikara, izay miteraka fikorontanana ara-tsosialy sy tsy fandriampahalemana amin’ny faritra maro. Araka ny nambaran’ ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny raharahan-tany, ny Jeneraly Lylyson René de Rolland. Vonona hatrany ny fitondram-panjakana hitady vahaolana manoloana izany, satria ny ady tany dia iray amin’ireo antony lehibe mampikorontana ny fiarahamonina.

Nohamafisiny fa voasoritra ao anatin’ny Lalàm-panorenana ny zon’ny Malagasy rehetra hisitraka tany. Na izany aza anefa, mbola lavitra ny lalana hahatratrarana izany tanjona izany, satria maro ireo tranga tsy ara-drariny: misy ny tena tompon-tany nefa resy eny amin’ny fitsarana, misy ny mpandova voahilikilika, ary misy koa ireo raharaha maharitra am-polony taona tsy misy didy mazava.

« Raha tena mipetraka amin’ny taniny ny tsirairay dia tsy tokony hisy ny ady tany. Midika izany fa misy ny tsy fahamarinana, misy ny fangalarana, ary misy koa ny fanomezana ny an’olona amin’ny hafa » hoy ny Minisitra. Noho izany dia nantsoiny ny tompon’andraikitra rehetra — eo anivon’ny fanjakana, ny fitsarana, ny kaominina — mba hiara-hiasa amin’ny fametrahana fahamarinana sy mangarahara.

Fepetra vaovao sy hentitra

Anisan’ny vahaolana vaovao hatolotry ny fanjakana ny fametrahana rafitra iombonana eny ifotony. Hisy kaomity hatsangana isaky ny distrika, ahitana ny lehiben’ny distrika, ny solontenan’ny fitsarana (procureur), ary ny mpitandro filaminana (polisy, zandary, miaramila). Hanampy amin’izany koa ny fiaraha-miasa amin’ny fokonolona sy ny vondrom-bahoaka eny ifotony, mba hiantohana fa ny tena tompony ihany no hahazo ny taniny.

Hentitra ny fanjakana amin’ny fanapahan-kevitra horaisina, ary araka ny nambaran’i Minisitra hatrany dia ny fahamarinana ihany no tokony ho fototra ijoroan’izany. « Fotoanan’ny fanavaozana izao ka tsy maintsy mijery fomba hafa isika, » hoy hatrany izy, manoloana ireo raharaha sasany efa maharitra hatramin’ny 20 taona eny amin’ny tribonaly.

 Fikaonan-doha ho an’ny fanavaozana

Ho an’ny SIF kosa, tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanavaozam-pirenena ny fanatsarana ny fitantanana ny fananan-tany. Izany no nanosika azy ireo hikarakara ity atrikasa nasionaly ity, izay nampivondrona solontenan’ny firaisamonim-pirenena avy amin’ny faritra maro.

Ny tanjona voalohany amin’izany dia ny hampitovy fomba fijery eo amin’ireo mpisehatra samihafa mikasika ny fitantanan-tany. Faharoa, ny hamoaka soso-kevitra sy fehin-kevitra azo atolotra ny mpitondra fanjakana, hanatsarana ny rafitra misy ankehitriny, hoy i Soavinalahatra Nasolo Harijery, mpandrindra nasionalin’ny SIF.

Anisan’ny lohahevitra lehibe resahina ny fomba hahafahan’ny Malagasy rehetra misitraka tany, ary koa ny fandanjalanjana ny ara-drariny sy ny ara-dalàna. Ny ara-drariny dia mifamatotra amin’ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao isan-tokony, raha ny ara-dalàna kosa dia manaraka ny lalàna mifehy ny fananan-tany manerana ny firenena.

Fikarohana vahaolana maharitra

Voaresaka manokana ihany koa ny fananan-tanim-pokonolona, ny « droit foncier communautaire » ary ny « droit coutumier’, izay heverina ho anisan’ny vahaolana azo dinihina sy hatsaraina. Ny fampidirana ny dina sy ny rafitra nentim-paharazana dia mety hanampy amin’ny famahana ny olan’ny fananan-tany, raha ampifandraisina amin’ny lalàna maoderina.

Amin’ny ankapobeny, manamarika dingana iray lehibe amin’ny fikatsahana vahaolana maharitra amin’ny raharahan-tany eto Madagasikara ity fikaonan-doha ity. Samy Hitodika amin’ny fanavaozana sy ny fahamarinana avokoa ny mpandray anjara rehetra, amin’ny fanantenana fa ho afaka hiaina am-pilaminana sy ho sambatra amin’ny taniny ny Malagasy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *