Tsy nijery fotsiny ny Sartimes teo anatrehan’ny fahasahiranan’ny mponin’i Toamasina. Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza GEZANI tamin’ny 10 febroary 2026, dia voa mafy i Toamasina, ka niteraka fahasahiranana goavana teo amin’ny fiainan’ny mponina, indrindra eo amin’ny fahazoana herinaratra. Manoloana izany, dia napetraka ny hetsika vonjy taitra ao anatin’ny tetikasa DECIM, izay tanterahina eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’afo (MEH) sy ny Minisiteran’ny Fampandrosoana Nomerika, ny Fanovàna Ara-nomerika, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), miaraka amin’ny fanohanana ara-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Amin’ny alalan’ny Tahiry DECIM, ity hetsika ity dia mikendry ny hanome vahaolana mifanaraka amin’ny filàn’ireo mponina.
Amin’ny maha-mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana azy, ny orinasa StarTimes dia mandray anjara amin’ny fizarana « kits solaires » modely S50 C miisa 1 200 ho an’ireo tokantrano voafantina ao amin’ny distrikan’i Toamasina II. Ireto avy ireo toerana nisatraka izany : Ambodilazana, Ambodimanga, Andranompony ary Lomboka. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa goavana ataon’ity orin’asa misehatra eo amin’ny fahitalavitra nomeraka ity izany. Mikendry ny hizara « kits solaires » miisa 30 000 ho an’ireo tokantrano tena voa mafy, araka ny lisitra navoakan’ny BNGRC sy ny kaominina ny Startimes.
Ity hetsika ity dia maneho ny fiaraha-mientan’ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, mba hanampiana haingana ny mponina tratran’ny loza hiverina amin’ny fiainana andavanandro.
Marihina fa ny « kits solaires » modely S50 C avy amin’ny StarTimes dia ahitana: takelaka masoandro 15W, bateria, jiro LED telo ary fitaovana misy radio, fanamafisam-peo, Bluetooth, mpamaky MP3, fidirana USB ary kalandrie elektronika.
Ity fizarana fitaovana ity dia natao hanampiana ireo tokantrano sahirana mba hahazo jiro sy angovo indray, ka hanatsara ny fiainany na dia eo aza ny fahavoazana nateraky ny rivodoza.
Nirina R.



