Socio-eco

ALPHA CIMENT : Nanitsy ny vidin’ny simenitra noho ny toe-draharaha iraisam-pirenena


Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny orinasa Alpha Ciment fa nisy fanamboarana ny vidin’ny simenitra amidiny, noho ny toe-draharaha iraisam-pirenena izay ahitana fiovaovan’ny toekarena maneran-tany.

Ny Alpha Ciment no hany orinasa mpamokatra simenitra  eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Manodidina ny 30%-n’ny filan’ny tsena nasionaly izany. Na izany aza, mbola miankina betsaka amin’ny fanafarana avy any ivelany ireo akora fanamboarana ny simenitra.

Nandritra ny herinandro maromaro izay, nisy ny fikorontanana teo amin’ny tsena maneran-tany, izay niteraka fiakaran’ny saran’ny fitaterana, indrindra ny fitaterana an-dranomasina, izay niakatra hatrany amin’ny 58%. Io fiakaran’ny saram-pitaterana io dia nisy fiantraikany mivantana tamin’ny vidin’ny akora ilaina.

Manoloana izany, nanapa-kevitra ny Alpha Ciment fa hampiakatra 7% amin’ny ankapobeny ireo vidin’ny simenitra amidiny, nanomboka ny 27 aprily 2026. Araka ny fanazavana, ity fanitsiana ity dia natao mba hiantohana ny fitohizan’ny famatsiana eny an-tsena, hitazonana ny kalitaon’ny vokatra ary famatsiana ireo manao asa mila simenitra.  Mahatsapa ny fiantraikan’ity fanapahan-kevitra ity amin’ireo mpanjifa sy mpiara-miombon’antoka aminy izy amin’izao fanampahan-kevitra izao.

Nanamafy ny orinasa fa tsy natao haharitra mandrakizay ity fiakaran’ny vidiny ity. Mety haverina hidina indray izany raha vao mihatsara ny toe-draharaha iraisam-pirenena, indrindra raha mihena ny saran’ny fitaterana sy miorina tsara ny tahan’ny vola.

Ao anatin’ny vina lavitr’ezaka

 Nanambara ihany koa ny tomponandraikitra ao amin’ny Alpha Ciment fa mikasa hanitatra ny fahafahany mamokatra amin’ny alalan’ny fananganana ozinina vaovao, izay hahafahany mamokatra hatramin’ny 1 200 000 taonina isan-taona. Ity tetikasa ity dia mikendry ny hampihena ny fiankinan-doha amin’ny fanafarana sy hanamafy ny fahamarinan-toeran’ny famatsiana simenitra eto amin’ny firenena.

Ny laharam-pahamehan’ny Alpha Ciment dia fiantohana ny famatsiana eny an-tsena sy ny fahafahan’ny rehetra mahazo simenitra.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *