Socio-eco

TEMPOLY ANATIROVA: Hifanesy handalo eny ireo fiangonana isan-karazany


Feno 150 taona ny nanorenana ny tranovato Anatirova  Manjakamiadana. Nosokafana tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana ny sabotsy 20 jolay 2019 ny fanombohan’ny fankalazana. Raha ny tantara dia tamin’ny vanim-potoana nanjakan-dRanavalona II no nananganana ny tempoly ao anatin’ny rovan’Antananarivo. “Teto amin’ity tempoly ity, tamin’ny andron’ny Ranavalona II no nanambarana fa i Jesoa Kristy no Mpanjakan’izao firenentsika izao, izay no zavatra misongadina amin’izao fankalazana ny tempoly Anatirova izao”, hoy ny mpikambana iray ao anatin’ny komity vonjimaika mpanomana ny fankalazana ny faha-150 taona.

Hatramin’ny taona 2020 ny fankalazana ny faha-150 taona ka fandaharan’asa maro ho tanterahina.   Miara-misalahy amin’ny fanatontosana izany ireo fiangonana isan-karazany, ny fikambanana maro samihafa.  Nambaran-dRakotomamonjy Emont fa omena vahana ireo antokom-pinoana rehetra sy fikambanana ka ho avy hanao fotoam-pivavahana ao amin’ny tempoly ireo taranaka andriana miray eto Madagasikara rahampitso alahady 21 jolay 2019. Amin’ny alatsinainy 22 jolay kosa ho an’ny fiombonan’ny fiangonana zandriny. Ho eny an-toerana ihany koa ny foibe FJKM ho fanamarihana izay faha-150 taona izay.

Natao indrindra hitondrana am-bavaka  ho an’ny firenena ny tempoly Anatirova. “Tiana ho fantatry ny vahoaka malagasy fa rehefa misokatra Anatirova dia misokatra ny fitahiana ho an’ny firenena, hitantsika sahady izany tamin’ny Barea satria  noentina am-bavaka teto ny ekipam-pirenena”, hoy hatrany  Rakotomamonjy Emont. Nilaza izy fa nikatona ny tempoly  rehefa tonga ny mpanjanantany,  zato taona lasa izay. Taorian’izay dia tsy azo nivavahana teny an-toerana.  Nisy ihany koa fotoana  nanahirana be tamin’ireo mpitondra nifanesy  ka tsy azo nivavahana ny tempoly hoy izy ary tsy lazaina intsony ireo sakantsakana isan-karazany. Ankehitriny, misokatra indray iny tempoly ary azo hanaovana fanompoam-pivavahana.

Nirina R.


One comment on “TEMPOLY ANATIROVA: Hifanesy handalo eny ireo fiangonana isan-karazany

  1. Pingback: TEMPOLY ANATIROVA: Hifanesy handalo eny ireo fiangonana isan-karazany - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *